Nidoboka am-ponja eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy nanomboka ny alin’ny alatsinainy teo ny kolonely roa eo anivon’ny Tafika noho ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy fanakorontanana ny fifidianana avy amin’ny fitarihana miaramila hikomy. “Izany dia araky ny voasoritra ao amin’ny andininy faha-91, andalana fahatelo ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana”, raha araka ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra. Nihaona tamin’ny mpanao gazety io farany omaly ary nanazava fa amin’ny 16 janoary 2024 ny fitsaràna ireo manamboniahitra miaramila ireo. Omaly ihany koa dia niverina ao anatin’ny adihevitry ny olom-pirenena ny mahakasika ny fikirakirana ity vaovao ity. Ny antony dia satria nisy namoaka tamin’ny tambajotra sosialy ny fisian’ny kolonely nosamborina, tokony ho folo andro lasa izay. Fotoana fohy taorian’ny fiparitahan’izany dia nanazava ny kaontin’ny zandarimaria amin’ny tambajotra sosialy fa tsaho izany. Izany aza dia mbola nampiana fandrahonana fa hosaziana izay manaparitaka izany vaovao tsy marina izany. Ny alatsinainy teo dia voamarina izany fa nisy tokoa io tranga io ary vetivety dia nahatsikaritra ny olona fa endrika fanampenam-bava no nisy tao anatin’ny fikirakirana ity zava-nisy ity. Etsy ankilan’izany, misy koa ny olom-pirenena mahatsapa fa vao mainka mampirehitra afo ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana any anaty tambajotra sosialy indraindray. Ilaina izany raha miendrika fizaram-baovao ary mijanona hatreo fa kosa tsy miditra amin’ny fanakianana na koa fampitahorana, satria misy ny mahatsapa fa ny fahalalahana maneho hevitra mihitsy no voatohintohina. Tsy anjaran’ny mpitandro ny filaminana ny maneho hevitra. Izay no foto-kevitry ny hoe “grande muette”. Raha misy ny ilana fanehoan-kevitra amin’ny anaran’ny vondrona iray dia efa manana ny rafitra serasera miandraikitra izany avy izy ireo. Hatreto anefa dia lasa midikiditra any anaty resadresak’olona, mandiso vaovao marina sy mampitahotra indraindray no tsikaritra. Mila mandinika ny lehibe ny amin’ny politikan’ny serasera, satria lasa mampirehitra afo ny toy izany.
D.R