Ao ny milaza ho birao misahana amin’ny fizahan-tany (agence de voyage) ka tafiditra ao anatin’ny tolotra ny fitarerana. Ireny indray avy eo no manofa fiara amin’ny olona. Ao koa ireo misandoka ho « agence » tsotra izao fotsiny kanefa mpanera rehefa tena zohina. Mazava ho azy fa maka vola mialoha ary koa ny saran’ny solika hitaterana. Matetika azon’izy ireo 100% amin’ny mpanjifa, izay tsy voatery ho ny mpizaha tany vahiny ihany fa ao koa ny Malagasy handeha hiala sasatra, na koa hamonjy asa, na koa hamonjy fetim-pianakaviana any lavitra. Entim-pahatokisana ny olona dia tafiditra ary mahay miresaka rahateo ny mpisoloky. Vitany hatramin’ny manao taratasy fifanarahana. Rehefa azony ny vola dia omeny vodiondrimbarotra kely ny mpitatitra ary solika mahavita ny asa. Dia mbola entim-pahatokisana koa ny tompon’ny fiara ary manaiky. Vita ny asa, manomboka amin’izay ny fandrirariràna. Toy ny hoe mbola miandry ny fandoavam-bolàn’ny mpanjifa avy amin’ny alàlan’ny banky. Na koa hoe mbola miandry kely ny vola ao amin’ny banky vao azo kitihina. Manomboka eo dia hainy amin’izay ny miala fotoana ary ny fiafarany dia tsy azo intsony mihitsy ny vola. Ny sasany indray dia mahavita manjavona tsotra izao fotsiny. Ankehitriny dia misy ireo efa namoahana didy fampisamborana na fikarohana noho ny fisolokiana toy izany. Etsy ankilany, betsaka koa ireo mpitatitra tsy matihanina, izany hoe tsy misoratra ara-ketra ary mampiasa fiara fotsiny, toy ny jonobotry. Ireny matetika no tena lasibatra ao anatin’ny raharaha.
D.R