- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFampianarana ambony : Nohamoraina ny fidiran’ny miaramila hianatra eny amin’ny Oniversite

Fampianarana ambony : Nohamoraina ny fidiran’ny miaramila hianatra eny amin’ny Oniversite

Manomboka izao dia halalaka ny fidiran’ireo miaramila hiofana sy anaraka fianarana ambony eo anivon’ny oniversite 3 (Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga). Notontosaina omaly 3  septembre 2021 teny amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’ny alalan’ireo Oniverisite telo ireo. Izao no natao ho fanatanterahana ny velirano faha-4 ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny fisitrahan’ny rehetra fampianarana. Izany dia teo ambany fiahian’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard ary ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Ramatoa Assoumacou Elia Béatrice. Nanotrona izao fotoana izao ihany koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly GELLE Serge. Andro manatantara ny androany, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena satria sambany no nisian’ny fiaraha-miasa toy izao satria tany aloha dia nisy hatrany ny sakantsakana tamin’ny fahafahana nanatontosa fianarana teny amin’ireo Anjery manontolo. Namafisany fa fanatsarana ny kalitao ny olombelona izao mba hikolokoloana azy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny fahaizana sy fampianarana izay fototra iray entina mapandroso ny firenena. Tamin’ny fandraisam-pitenenany kosa no nilazan-dramatoa Minisitra fa tsy ny amin’ny sehatra sivily ihany no afaka mandray anjara biriky mampirindra sy manao ny ezaka rehetra amin’ny fampakarana ny toekarena sy mitondra avo ny famaliana ny filan’ny firenena ka tsy tokony avahana amin’izany ny miaramila satria dia afaka manatanteraka izany tsara ny Tafika. Hita izany, hoy izy, tamin’ny fisian’ny aretina kolera sy pesta ary ny covid-19 sy ny Kere tany atsimo izay nisian’ireo miaramila nisehatra sy nanome tanana tamin’izany. Izao fifanaraham-piaraha-miasa izao dia ahafahan’ireo mpianatra manamboninahitra na ireo mpianatra navita ny kilasy famaranana avy ao amin’ny SEMIPI mba handrato fianarana avy hatrany ao amin’ireo sampam-pianarana rehetra misy ao amin’ireo Oniversitea ireo.Tao aorian’io fanaovan-tsonia io moa dia nisaotra sy nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ireo miaramila efatra mirahalahy izay avy ao amin’ny Sekoly miaramilam-pirenena afaka baccalaureat ny taona 2020 ka nahazo ny « Lauréat » sy marim-pahaizana ambony tamin’izany, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici