Raha ny fanazavana azo dia mpianatra 20 teo no tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao amin’ity sekolim-panjakana iray eto Toamasina ny zoma maraina teo. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy ireo mpianatra tratran’izany, afa-tsy ity mpampianatra iray izay tena voa mafy ka voatery nahiditra hopitaly mihitsy vokatra izany. Araka ny fanampim-baovao dia oniversite iray tsy miankina nindrana sekolim-panjakana, ny alatsinainy teo ary nifarana ny zoma 08 novambra, mba hanaovana fanadinana no tratran’izany fahapoizinana ara-tsakafo izany. Voalaza fa misy mpivarotra maromaro ao amin’ilay sekoly saingy tamin’ity toerana mpivarotra sakafo iray ity no nihinanan’ireo tratran’izany. Tsy fantatra marina ny nahatonga ilay fahapoizinana na tamin’ny ovy nendasina – « mayonnaise » – lasary paza – na ilay akoho…nohanin’izy ireo, fa saika nandoa sy nivalana ary fanina avokoa ireo voan’izany fahapoizinana izany. Voalaza fa mety ho ilay menaka nampiasain’ilay mpivarotra no niteraka izao, satria natetika loatra ny fampiasana ireo menaka efa niasa fanaon’ity mpivarotra ity. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ireto mpianatra sy mpampianatra voan’izany, satria raha ilay teoram-pitsaboan’ny sekoly no nandehan’izy ireo dia voam-panafody roa isaky ny mpianatra narary no azo. Nanazava ny mpitsabo fa ny menaka avy nampiasaina ela dia tsy azo ampiasaina intsony fa miteraka poizina, indrindra raha entina hanamboarana atody amin’ny alalan’ny « mayonnaise ». Ilay mpivarotra tao anatin’ity sekoly nahatonga ny fahapoizinana ara-tsakafo ity kosa, avy hatrany dia nandray ny fepetra rehetra mikasika ny zavatra omeny ny mpihinana mba tsy hisian’ny toy izao intsony, satria raha ireo mpianatra madinika mpianatra no tratran’izao dia asa izay zava-niseho. Raha ny fanampim-baovao azo dia tsy sambany no namparary olona toy izao ity mpivarotra amin’ny sekoly ity, saingy ny teo aloha dia ireo mpianatra tao ihany no tratran’izany.
Malala Didier