- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversFampianarana teny sinoa ao amin’ny Tafika Malagasy : Notolorana maripahaizana omaly ny...

Fampianarana teny sinoa ao amin’ny Tafika Malagasy : Notolorana maripahaizana omaly ny andiany voalohany nahavita fianarana

Hipetraka ho tantara tsy hay hadinoina ny andron’ny 13 janoary 2022 ho an’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Notanterahina omaly 13 janoary ny fanolorana maripahaizana ho an’ireo mpianatra 35 mianadahy vao nahavita ny fianarana teny sinoa eo teo anivon’ny Ivontoeram-pampianarana teny sinoa amin’ny Ministera’ny Fiarovam-pirenena. Ity andiany ity no nisantatra ity sampam-pianarana teny vahiny iray ity izay iaraha-miasa amin’ny « Institut Conficius » eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padou, sy ny Kolonely WANG Tao Tompon’andraikitry ny Fiarovana eo anivon’ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara, niaraka tamin’ny Talen’ny Fampianarana avy ao amin’ny « Institut Conficius », Ramatoa Zo Rasendra. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Amiraly, Sekretera Jen’ralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no nisaorany ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara tamin’ny fampianarana teny sinoa ireo miaramila sy sivily izay maimaimpoana. Manantena hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa ny Minisitera. Nambarany fa anisan’ny firenena tena manana ny maha izy azy ny firenena sinoa ary mendrika halaina tahaka indrindra amin’ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana, izay tena mampandroso azy ireo tokoa. Nankasitraka ny ezaka sy ny finiavana nasehon’ireo mpianatra kosa ny Tompon’andraikitry ny Fiarovana eo anivon’ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara raha nandray fitenena. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’izao fanavaozan-drafitry ny Tafika izao ny fifehazan’ny miaramila ny teny vahiny, satria izany dia isan’ny tosika ho an’ny fiarovam-pirenena sy antoky ny fifandraisana amin’ny firenena hafa. Raha ny teny anglisy hatrany no nampianarina tao amin’ny Ivontoeram-pampianarana teny ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena dia nisokatra tamin’ny fampinarana teny sinoa ity toerana ity nanomboka ny 13 septembra 2021.

Nangonin’i T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici