- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFampiarana ny « couvre feu » teto Toamasina : Nahidin’ny Emmo-Règ ireo...

Fampiarana ny « couvre feu » teto Toamasina : Nahidin’ny Emmo-Règ ireo mpivarotra tsy nanaja ny fikatonana

Araka ny lahatenin’ny filoha ny sabotsy 03 avrily alina teo dia ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara amin’izao firongatry ny « covid-19 variant »  afrikana tatsimo izao. Midika izany fa misy ireo fepetra mifandraika amin’izay noraisin’ny filoham-pirenena, ka isan’izany ny fikatonan’ireo trano fisotroana sy ireo mpivarotra samy hafa amin’ny 09ora alina, ary ny tsy fisokafan’ireo trano fandihizana sy fihirana samy hafa. Eo koa ny fametrahana ny « couvre feu » manomboka amin’ny 09ora alina hatramin’ny 04ora maraina. Maro ireo trano fisotroana sy ireo mpivarotra sasany ary ireo trano fandihizana sy fihirana samy hafa teto Toamasina no tsy nanaja izany, nanomboka ny talata teo tahorinan’ny fetin’ny Paska nisy fiangarana kely. Voatery niditra an-tsehatra nanakatona azy ireny ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Règ nahitana ny zandary – polisy – miaramila, izay notarihan’ny komandin’ny fari-piadidian’ny zandary faritan’i Toamasina. Mbola fampanarahana lalana no nataon’izy ireo ny talata alina teo ity, saingy raha mbola mitohy ny fanararaotana sy ny tsy fanarahan-dalana dia ho avy amin’izay ny sazy araka ny lalana manan-kery. Ankoatra izany nandray ny fepetra samy hafa araka ny tenin’ny filoha ihany koa ny ao Fenerivo atsinanana ; na tsy ao anatin’ny faritra mihidy aza ny faritra Analanjirofo dia mandalo eto Toamasina avokoa ireo olona miditra any aminy ka nisy ny fepetra noraisin’izy ireo momba izany. Voalazan’ny fanambaran’ny prefen’i Fenerivo atsinanana ny 05 avrily teo, fa tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 100 ao anatin’ny filohovan’ny Fenerivo atsinanana ; mikatona avokoa ihany koa ireo sekoly ara-panjakana sy ny tsy miankina ary ireo toeram-panofanana samy hafa miaraka amin’ny oniversite ; mitakona na andro na alina ihany koa ireo torem-pisotroana sy toeram-pandihizana ary ny toeram-pihirana samy hafa. Saingy misokatra kosa ny fitaterana rejionaly rehetra afa-tsy mihazo ny zotra nasionaly izay tsy maintsy mandalo eto Toamasina ny fidirana sy ny fivoahana amin’izany. Voalaza fa ny tsy fampiharana ireo dia hiaran’ny sazy “travaux d’intéret géréral” voalazan’ny lalana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici