- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFampiasàna Hosoka : Voaheloka handoa volabe ireo mpamorona "plaque châssis"

Fampiasàna Hosoka : Voaheloka handoa volabe ireo mpamorona « plaque châssis »

Nivoaka ny didim-pitsaràna ary voaheloka ireo olona telo izay nosamborina noho ny fanamboarana famantarana manokana fiara izay hosoka avokoa. « Lamandy 1.500.000 ariary sy onitra 10.000.000 ariary no azon’izy ireo noho io fandikan-dalàna io. Ankoatr’izay dia nogiazana ny fitaovana fanaovana hosoka », raha araka ny fampitam-baovaon’ny foibe miadidy ny fitsaràna fiarakodia. Tetsy Tsaralalàna raha hiverenana kely no sarona ireo mpanao hosoka. Fitaovana tena raitra no ampiasain’izy ireo amin’izany ary mivoaka ho toa ny tena izy ny famantarana manokana izay misy laharana samihafa rehefa vitan’izy ireo. Mazava hoazy fa mampiroborobo ny hosoka amin’ny taratasin’ny fiarakodia izany. Raisina ohatra faran’izay tsotra, raha misy fiarakodia halatra dia ovaina ny « plaque châssis » ary iny no entina manao taratasy vaovao. Azo inoana fa ny fisian’ity tambajotra ity no nampiroborobo ny halatra fiara nisy fotoana. Nahatalanjona satria hatramin’ny fiara raitra toa ny Toyota V8 ireny aza dia sahin’ny jiolahy nangalarina. Ankehitriny dia miha-mazava tsikelikely ny mety ho tambajotra miasa ao ambadik’izany.

 D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici