- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFampiatoana ben’ny Tanana suburbaine : Tena misy ambadika politika avolenta ny raharaha

Fampiatoana ben’ny Tanana suburbaine : Tena misy ambadika politika avolenta ny raharaha

Mazava ny raharaha amin’izao satria araka ny fanadiadiana natao momba ny fampiatoana ny ben’ny Tanana tao Toamasina suburbaine, izay nataona mpanolontsaina miisa dimy amin’ny fito ao an-toerana. Nialoha izay dia raikitra ny ady teo amin’ny ben’ny Tanana Barison Charles sy ny lefitra faharoany teo aloha Razafindraibe Judicael, nefa mba hisorohana ny tsy fampandrosoana ny kaominina manoloana ireo tetikasa maro toy ny tetikasa Rindra tohanan’ny PNUD, dia voatery nandray fanampahan-kevitra nanesotra ity lefitra faharoan’ny ben’ny Tanana ity ny ben’ny Tanana. Vokatra izany dia ny talata 27 jona nivory indray ireo mpanolontsaina ka nanampan-kevitra indray nampiato ny ben’ny Tanana ary efa tonga eny amin’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina II izany fanampahan-kevitra izany. Raha ny fanazavana azo dia misy fifandraisana amin’izao fampiatoana ny ben’ny Tanana Toamasina suburbaine izao ny mpiasan’ny ministera ny atitany teo aloha mipetraka sy monina eto Toamasina. Nihodina ny vola tamin’ny fanonganana ny ben’ny Tanana izao, satria ny tanjona ho an’ireo mpiray tendro dia ny mba hahazoana tany ao Toamasina II ao, sy hiandrandrana ilay vola tamberimbidy avy amin’ny Ambatovy izay tokony ho azon’ny kaominina. Tsy manaiky izao savorovoro izao ireo mponina ao Toamasina suburbaine ka niantso mpanao gazety nilazany ny zava-misy iainan’ny kaominin’izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici