- Publicité -
jeudi, novembre 6, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFampidirana hazavana : Bongolava hirehatra jiro, atsy ho atsy ...

Fampidirana hazavana : Bongolava hirehatra jiro, atsy ho atsy …

« Bongolava mandroso no tanjona », ambeti-tenin’Atoa, Jly Ramiaramanana Joseph, Governoran’ny faritra foana. Ary tsy mijanona ho teny fotsiny ihany anefa fa arahina asa ny fanantaterahana izany. Vao tsy ela tokoa mantsy izay dia tontosa ny fiaraha-midinika tamin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fampidirana hazavana ho an’ireo kaominina maromaro mandrafitra ny faritra. Tetikasa anisan’ny tafiditra ao anatin’ny laharampahamehan’ny faritra, ankoatra ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fanamboaran-dalana.

Mizara ho tetikasa roa lehibe izany fampidirana hazavana ho an’ny mponina izany ao Bongolava ao. Ny voalohany, dia ny fampiasana angovo mifangaro avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano, izay hiarahan’ny faritra sy ny orinasa Casielec sy ny Africa Greentec. Afaka manazava kaominina maro izany dia ny ao Marotampona, Bemahatazana ary Mahasolo. Ny tetik’asa faharoa kosa, izay hiarahana amin’ny Africa Greentec, dia miompana irery ihany amin’ny herin’ny masoandro, izay hisitrahan’ny kaominina Ambalanirana sy Fiarahavana hazavana avy amin’ny angovo maimaim-poana. « Izany tetikasan-jiro izany dia hatao mba hoentina mampandroso ny eny ifotony, satria ny fisian’ny herinaratra no mampiakatra ny harin-karenan ny Kaominina tsirairay », hoy ny fanazavana azo.

Fa amin’izay lafiny fampandrosoana izay ihany dia tsy hadinon’ny faritra velively ny fampandrosoana ara-tsosialy. Fantatra ary fa notokanana ny faran’ny volana teo ny toeram-pitsaboana vaovao ao amin’ny fokontany Soamahatamana, kaominina Tsinjoarivo Imanga. Tonga teny an-toerana tamin’izany ny Governoran’ny faritra niaraka tamin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy, niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-karazany, sivily sy miaramila. « Vaindohan-draharaha ary laharam-pahamehana ho an’ny fitondra-mpanjakana amin’izao fotoana izao ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka araka ny velirano faha-5 nataon’ny Filoha », hoy ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici