Variana nihaino ny kabarin’ny kandidà sy ny mpanohana azy ary koa sondriana ny nijery ny fampisehoan’ireo artista nanafana ny hetsika ity mpitandro ny filaminana eo anivon’ny sampam-pitsikilovana no nisy nanararaotra ny paosiny. Very tao anatin’izany ny « porte-monnaie » iray izay misy ny vola sy ny karatra. Tezitra izy nanoloana an’izany ary nanao fanadihadiana tsotsotra teo amin’ny manodidina. Nisy olona noahiahiany tao anaty olona marobe. Mazava hoazy fa tsy maintsy niakatra ny hafanana, izay tonga tamin’ny fifamaliana. Tsy nijanona teo fa tonga hatramin’ny fifampikasihan-tànana. Tezitra ilay olona niharan’izany ary nanambara fa fanamparam-pahefana no nanjo azy. Nilaza ny hitory io farany ary ilay mpitandro ny filaminana kosa niala moramora teo an-toerana. Hita mivantana tamin’ity tranga ity fa samy manana ny tombontsoany sy ny tanjony ny olona rehefa mivoaka ny trano ka mijery fampielezan-kevitra. Ao ny miasa, toa ity mpitsikilo izay hanao tatitra any amin’ny lehibeny ity, ao ihany koa ny manao asa fangalaràna ary ao ny mpakafy artista, mazava ho azy fa ao kosa ny tena mihaino ny fandresen-dahatra ataon’ny kandidà. Ao anatin’ny lalaon’ny propagandy gasy avokoa izany rehetra izany ary samy mahafantatra izany ny mpikarakara sy ny mpilalao rehetra. Isan’ny propagandy hafakely raha oharina amin’ny firenena samihafa ny eto Afrika, ary indrindra koa ny eto Dago, satria matetika dia ilay olona no fidiana fa tsy ny foto-keviny sy ny programany. Lasa tanjon’ny mpilatsaka, araka izany, ny mitady olona faran’izay betsaka isaky ny hetsika ataony mba hanairana ny hafa. Isan’ny andrasan’ny mpanara-baovao sy ny mpandinika fiaraha-monina ankehitriny ny valim-pifidianana mba hahitàna raha mbola mitoetra hatrany izany fomba fisafidianana hatramin’izay izany na mba efa nisy fivoarana kosa …
D.R