Nikorontana vao maraina ny vahoaka tao Tanambao faha-05 P/elle 13/91, raha nahita ireto mpitandro filaminana nisaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana niaraka tamin’ny “bulldozer”. Maro be ny resaka niely nandritra izany, ka tonga ny nisoka kiririoka niantso ireo fokonolona hivoaka ny trano misy azy mba hisakana ilay “bulldozer” tsy handrava trano, satria efa niely ny feo fa tonga handrava trano izy ireo noho ny didim-pitsarana. Efa vonona tamin’ny vato teny an-tanany ireo fokonolona hanoherana izao teo-javatra izao, saingy tao anatin’izany dia nahazo antso tamin’ny findainy ilay vadintany mba hampiato aloha ny fandravana ireo trano noho ny didim-pitsarana raikitra nivoaka, sy manala ireo fokonolona mipetraka ao amin’ilay tany. Mampiatra didim-pitsarana ihany no asan’ny vadintany fa tsy hoe te-hanala olona amin’ny tranony sy ny taniny akory. Tena maha-voasazy ny tsy fanatanteraha izany hoy ny lehiben’ny vadintany sy mpanao lavanty nanontaniana. Nambaran’ity vadintany ity aza dia tany manan-tompo io tany iadiana ao Tanambao faha-05 io, ary misy didy raikitra milaza izany ka tonga tamin’izao toe-javatra nitranga izao. Mitondra ny laharana 4695-BA “Mahasoa” io tany iadiana io, ka tamin’ny taona 2022 no resy teo anivon’ny fitsarana ambony teto Toamasina ireo fokonolona niady ny tany tamin’ny tompony. Mijanona aloha ny fanantontosa ny didim-pitsarana io saingy mbola hitohy izany amin’ny manaraka hoy hatrany ny vadintany mpanantosa ny didy. Tsara marihina aloha dia trano 35 tsy ara-dalana no saika narondana ao anaty tanin’olona ao Tanambao V ity.
Malala Didier