- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFampihinanana maloto olona : Amidy eny Anosizato ny trondron’Anosy

Fampihinanana maloto olona : Amidy eny Anosizato ny trondron’Anosy

Efa maro ihany ireo tratra saingy mbola maro ihany ireo manao ity asa ratsy ity. Azo sokajiana ho fampihinana maloto olona mantsy ny fivarotana ny trondro avy ao amin’ny ranon’Anosy. Efa voararan’ny lalàna rahateo ny fanjonoana na fanaratoana izany eny an-toerana. Antony iray indrindra nandraisan’ireto pôlisin’ny kaomisarin’ny boriborintany fahadimy etsy Mahamasina fepetra, rehefa nisy vaovao azon’izy ireo fa misy olona mbola mikiry manarato eny amin’iny farihan’Anosy. Ny talata lasa teo tokoa dia olona iray no voasambotra. Tratra am-bodiomby teo ampanaratoana, araka ny tati-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenana.  « Nisy niantso ny polisy ka nidina avy hatrany teny an-toerana. Natao ny vela-pandrika ka polisy nanao fitafiana sivily no nisambotra azy ireo » hoy ny vaovao. Telolahy izy ireo no nanarato tao amin’izany ranon’Anosy izany, saingy raha vao nahita ireto mpitandro filaminana ny roalahy dia nirifatra nitsoaka. Ilay namany iray sisa no voasambotra teo. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao moa ity ranamana ity, nohadihadiana. « Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaky ny heloka vitany izy » hoy hatrany ny vaovao, ary tsy vitan’izay fa nilaza ihany koa fa hoe « amidiny eny Anisozato ireo trondro azony ». Omaly moa ity farany no nentina nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana, teny Anosy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici