- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFampihorohoroana amin’ny Facebook : Lehilahy iray nosamborin’ny pôlisy

Fampihorohoroana amin’ny Facebook : Lehilahy iray nosamborin’ny pôlisy

« Fampihorohoroana amin’ny famoahana sary manokana amin’ny facebook », io no vesatra anenjehana ity lehilahy iray nosamborin’ny pôlisy tany Toamasina ny herinandro lasa teo. Mpiasa aminn’y fivarotana finday iray any an-toerana ity lehilahy ity ary tamin’izany no nahafahany naka ny sary maromaro an’ny mpanjifa iray tonga nametraka fitarainana tao aminy. « Vehivavy iray  no tonga tao amin’ny tranombarotra iray mpivarotra finday avo lenta tany Toamasina. Nilaza ity vehivavy ity fa misy fahasimbana ilay finday novidiany tao amin’ilay fivarotana. Nisy lehilahy mpiasa tao amin’io fivarotany io nandray an’ilay vehivavy ka nilaza fa mila jereny ilay finday », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Tsy vitan’ny hoe nijery sy nanamboatra ilay finday voalaza fa simba ity mpiasa ity fa mbola nataony « copie » avokoa ireo sary rehetra tao anatin’ilay finday. « Fotoana fohy taorian’izay dia nisy nandefa hafatra tao amin’ny Facebook,  ilay vehivavy fa mila manome vola 4 000 000 Ar izy raha tsy izany dia haparitaka eto amin’ny tambajotra ny “photos intimes” an’ilay vehivavy ». Taorian’io ihany dia niakatra taty an-drenivohitra ary nanatona ny sampana « cybercrime » eo anivon’ny pôlisim-pirenena ity vehivavy ity, nametraka ny fitarainany. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireto farany ary nanokatra ny fanadihadiana. « Natao ny famotorana ka rehefa natao ny paik’ady rehetra dia tratra tao Toamasina ilay lehilahy nampiasa “compte fake” nampihorohoro ilay vehivavy », hoy ny vaovao. Natolotra ny Fampanoavana avy hatrany moa Ingahy mpampihorohoro, izay niaiky rahateo ny heloka nataony. Nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany taorian’ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici