« Tovolahy mahery fihetsika ! » Izay no nanasakajian’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena an’ireto efa-dahy voasambotr’izy ireo tao an-drenivohitr’i Boina tao, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany dia efa nikoizana ary nampitondra faisana olona maromaro mihitsy ry zalahy ireto, noho ny fampihorohoroana, fanakorontanana sy herisetra maro isan-karazany, nataon’izy ireo tany an-toerana. Manao andiany izy ireo ary miditra an-keriny sy mandrahoana amin’ny alalan’ireo zava-maranitra teny am-pelatanany. Ny farany nataon-dry zalahy, nahatonga izao fisamborana izao, hoy hatrany ny vaovao azo dia ny fanakorontanana fety nataon’ny fianakaviana tao amin’ny tokantrano iray tao Antanimalandy VII. Tsy vitan’ny fanakorontana fe fanakorontanana fotsiny anefa fa nisy hatramin’ny fampiasana herisetra sy fikasihan-tanana nataon’izy ireo tamin’ireo tompon-trano. Vokany, telo tamin’ireo tompom-pety no naratra ary tsy maintsy nampidirana hôpitaly, raha ny vaovao hatrany. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny pôlisy taorian’izay tranga izay. Enin-dahy izy ireo raha ny volaza saingy tafatsoaka ny roa lahy, voasambotra ireto kosa ny efatra, niaraka tamin’ireo sabatra sy ny zava-maranitra nentin’izy ireo mampihorohoro. Efa eo am-pelatan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana sy fanaovana hazalambo ireo tafatsoaka.
m.L