- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFampirafesana nampiditra am-ponja : Ny rahavavin-dramatoa ihany no niarahan-drangahy

Fampirafesana nampiditra am-ponja : Ny rahavavin-dramatoa ihany no niarahan-drangahy

Tsy tahotra tsy henatra ! Nilaozany ny vady andefimandriny sy ny zanany ka lasa izy nanorina tokatrano hafa, tsy lavitra teo ihany. Nitory ny tompon-bady. Nahazo rariny.

Araka ny lalàna mifehy ny fanambadiana tokoa dia azo atao tsara tokoa ny mitory ny iray tamin’ireo mpivady, izay tra-tehaka mampirafy sy minia manitsakitsaka izany fanambadiana izany. Toy ity tranga noraisin’ny zana-tobim-paritry ny zandary tao Antanamanjaka, tany amin’ny faritra Vakinankaratra ity. Araka ny fampitam-baovaon’izy ireo dia efa mpivady vita soratra ara-panjakana nandritry ny 20 taona teo izy ireo, ary manan-janaka. Nisy fotoana tsy nahateo an-dramatoa tompom-bady, izay naka vidim-bokatra tany ambanivohitra. Nanararaotra izany rangahy ka nandeha niaraka tamin’ny vehivavy hafa, izay tsy iza, raha ny fanazavana nomen’ny zandary hatrany fa rahavavin-dramatoa ihany. Niara-natory soa aman-tsara ary niaraka niafina teny foana. Taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hisintaka ny tokatranony ralehilahy, ahafahany niaraka soa aman-tsara amin’ity sakaizany. Ary dia nanorina tokatrano iray hafa, tsy lavitra ny tanana nisy azy ireo. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nandeha nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary ramatoa tompom-bady, mahakasika ny fisintahan-drangahy ny tokatrano sy ny fampirafesana ankarihary nataony. Mazava ho azy fa nosamborina ireto mpifankatia miafina no sady natao famotorana. Natolotra teny anivon’ny fampanoavana ary izao nampidirina am-ponja vonjimaika izao.

Sarotiny amin’ny resaka lalàna mifehy ny fanambadiana tokoa ny fitsaràna ary mazàna dia tsy maintsy miafara amin’ny fampidirana am-ponja izany, rehefa voamarina sy voaporofo ny fisian’ilay fampirafesana. Mazàna anefa eto amintsika toa raisin’ny olona sasany vazivazy izany. Mampatsiahy hatrany ny zandary fa mampigadra ny vadin’olona mijangajanga sy ny fiarahana amin’ny vadin’olona.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici