Feno hatrany ny efitram-pilanonana izay andalovan’ny tarika Wawa ao anatin’ilay “Somaroho Tour” fanaony eto Toamasina. Nanomboka ny zoma alina tao amin’ny trano fandihizana “Pataya” Androranga; nitohy ny sabotsy alina tao amin’ny kianja mitafon’ny Soavita; ary nifarana ny alahady tolakandro tao amin’ny toerana malalaky ny CRJS, ny fiarahan’ity tarika ity tamin’ireo mpankafy azy teto Toamasina renivohitra sy ny manodidna. Ny sabotsy alina tao amin’ny kianja mitafo ny Soavita anefa no nisy ny olana noho ireo mpitia Wawa maro no tsy tafiditra, satria tsy mahazaka afa-tsy 3.000 olona monja ity kianja mitafo ity. Raikitra ny fimenomenomana tokony ho misasak’alina ho an’ireo mbola tafajanona tety ivelany niandry ny fidirany tao amin’ny Soavita, niteraka sakoroka izany noho ny niafarany ka nahatonga ireo mpitandro ny filaminana nandray fepetra nanaparitaka ireto olona maro be ireto tamin’ny alalan’ny “entona mandatsa-dranomaso entin-tanana” fampiasan’izy ireo amin’ny toe-javatra tahaka izao. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo niharan’izany dia nisy mihintsy no torana noho entona noho fahabetsahany olona nifanisika nitsoaka, izay niteraka faharatrana ho an’ny sasany. Ho an’ny mpitandro ny filaminana anefa dia tsy maintsy noraisina ny fepetra toy izao satria tsy manaiky fifandaminana ireto mpisisika te-hiditra ny trano tsy homby sy ireo mpanakorontana mananararaotra fotsiny, sy noho ny fiarovana ny fananam-panjakana ho simba, ary ho fanomezana fahafaham-po ireo efa tafiditra mialoha nameno trano. Niteraka fahasorenana ho an’ny maro anefa ny zava-nisy ka betsaka tamin’izy ireo no namonjy toeran-kafa na ireo efa tafiditra ara-dalana tao anatin’ny kianja mitafon’ny Soavita aza.
Malala Didier