- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversFampitokana-monina ireo sambo eto Toamasina : Mangala-dia manofa lakana mivoaka an-tanàn-dehibe ireo...

Fampitokana-monina ireo sambo eto Toamasina : Mangala-dia manofa lakana mivoaka an-tanàn-dehibe ireo tantsambo

Hatairana ny an’ny rehetra, raha nilaza ny governora Atoa Rafidison Richard Théodore araka ny tatitry ny kardinaly SE Mgs Désiré Tsarahazana taminy, fa “misy amin’ireo sambo nampanaovina ny fampitokana-monina noho ny fiarovana amin’ny coronavirus eny amin’ny sisin-dranomasina eto Toamasina, no mangala-dia mivoaka manofa lakana miditra ny sisin-tany an-tsokosoko”. Tsy nisy afaka namaly ny fisiany na ny tsy fisian’izany ireo niatrika rehetra nandritra ny fivorian’ny OMC  ny sabotsy naharitra adiny telo teo. Midika izany, fa misy ireo tantsambo mangala-dia miditra an-tsokosoko ny sisin-tany ireo izay loza mitatao amin’ny  Malagasy, satria saika avy amin’ny toerana misy tranga na coronavirus ny ankamaroan’ny sambo tonga eto ka mahatonga ilay fampitokana-monina. Milaza handray fepetra mikasika izany ny mpitandro ny filaminana ho fiarovana ny  Malagasy. Ankoatra izany anefa, dia miha-mitera-doza ny ataon’ny APMF, satria raha baiko hafa no nomen’ny APMF foibe momba ity valanaretina coronavirus ity, dia izy ireo ihany no manome baiko midina amin’ny sampan’ny APMF Toamasina ny hampiditra sambo 02 tsy nahafeno akory 14 andro fitokana-monina avy any La Réunion, soa ihany fa tsy nanaiky hatramin’ny farany ny APMF Toamasina mikasika izany ho fisorohana ny  Malagasy. Ankoatra izany, amin’ireo olona 70 voalaza fa araha-maso avy any ivelany eto Toamasina dia ny iray no any Vatomandry ary olona 04 no tena nampiahiahy, saingy nilaza ny talen’ny fahasalamana Atsinanana, Rakotoarimanana Raymond fa miiba avokoa izy ireo tamin’ny fitiliana nataon’ny Insitut Pasteur, na efa voan’ny sery sy mikohaka maina aza amin’izao fanaraha-maso sy fampitokana-monina ataon’ny fanjakana izao izy efatra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici