Noraisin’ny sampan-draharahan’ny zandarimaria miandraikitra raharaha heloka bevava ny mahakasika ny fitsoahana fa fampitsoahana Kolonely tao amin’ny Toby Ratsimandrava. Miara-misalahy ireo zandarin’ny Fiadanana sy ny fitaleavan’ny zandary mpanao fanadihadiana (Direction de la Police Judiciaire, hafohezina amin’ny DPJ) ao andrefan’Ambohijanahary momba izany. Etsy ankilany, mitohy hatrany ny ampamoaka nataon’ilay Kolonely mahakasika ny kolikoly sy ny tsy fetezan’ny fanadihadiana ka isan’ny nampitsoaka azy. Isan’izany ny momba an’i Andry Bemaso, jiolahy efa nokarohina ela ary voasambotra. Izy io dia manam-pahaizana manokana momba ny fikirakirana teknolojia informatika ary afaka mitsirika ny kaontin’ny olona na amin’ny tambajotra sosialy izany na amin’ny hafa. Nitsoaka tany avaratra tany izy ary mbola nitohy nisoloky rehefa nokarohina teto an-drenivohitra. Ankehitriny dia toa misy manararaotra ilay fahaizany mba hampiasaina amin’ny tombontsoa manokana. Eo no isan’ny mihodidina ny fanadihadiana ankehitriny ary voakasika koa ny zandary tamin’ny fitsoahana na fampitsoahana ny Kolonely izay ampamoaka fanindroany sahady izany no nataony any am-pitsoahana any no sady arahin’ny besinimaro akaiky. Niteraka hatramin’ny fanalàna tamin’ny toerany ny DPJ teo anivon’ny zandary ity raharaha ity ary koa fanadihadiana ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Ho lasa lavitra ve anefa izany fanadihadiana izany, satria tsiahivina fa vao avy lehiben’ny zandarimaria ao Fiadanana izy no io lasa tale ao amin’ny Toby Ratsimandrava io. Ankoatra izany, mbola ny eo anivon’ny DPJ koa no isan’ny mpanao fanadihadiana manampy ny etsy Fiadanana.
D.R