- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanadinana Bakalorea Toamasina 2019 : Misy 25.087 ny mpiadina, 11 taona ny zandriny...

Fanadinana Bakalorea Toamasina 2019 : Misy 25.087 ny mpiadina, 11 taona ny zandriny raha 72 taona ny zokiny

Ny alatsinainy izao no hiatrika ny fanadinana Bakalorea ireo taona famaranana, raha ho an’ny Toamasina dia miisa 25.087 ny mpiadina ao anatin’ny faritra teo dia Alaotra-Mangaro, Analanjirofo, ary Atsinanana, izay eo ambany fiadidian’ny oniversiten’i Toamasina. 11 taona izay mpiatra avy ao Tanambe Ambatondrazana sokajy A2 no zandriny indrindra amin’ity taona ity, raha 72 taona sokajy A1 kosa no zokiny indrindra avy any Maroantsetra no misy azy. Hatreto aloha dia mbola mitana ny laharana voalohany amin’ny safidin’ny mpianatra ny sokajy A2 izay miisa 17.511 izy ireo amin’ity taona ity, manaraka azy ao ny sokajy D izay miisa 5.980, aorian’izany ny misafidy ny sokajy A1 izay miisa 1.193. Ny tena fitsy mpifidy indrindra dia ny sokajy siantifika sokajy C satria tsy afa-tsy 403 izany ho an’ny Toamasina amin’ity taona ity. Ho an’ny sokajy teknika kosa dia miisa 1.204 ireo mpiadina ka ireo distrika misy lycée teknika no manana kandida amin’izany, Toamasina I – Ambatondrazaka – Maroantsetra – Fenerive atsinanana – Moramanga – ary Vatomandry. Nohenjanina ny lalana mifehy ny mpiadina amin’ity taona ity hisorohana ireo fakantahaka (fraudes) samihafa mety hitranga ary tsy misy indrafo izay tratra fa tsy maintsy hampiarana ny sazy ara-administrativa avy hatrany. Isan’ny fepetra noraisina ho an’ny mpiadina misarom-boaly, tsy maintsy mamoaka ny sofiny avy izy ireo ao anaty efitranom-panadinana hisorohana ny fampiasana « écouteurs ». Hiova kely anefa ny famoahana ny valim-panadinana amin’ity taona ity eto Toamasina, satria sady ho hafainganina ny fitsarana izany no tsy mamoaka valina ao amin’ny birao ny bakalorea intsony izy. «  Bakalorea tsy amidy ary tsy azo vidina » no misy ao anivon’ny oniversiten’i Toamasina hoy ny filohany, ka aza alaim-panahy ny ray aman-dreny sasany hanao izany, fa handray fepetra amin’izany ny oniversite raha misy izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici