Rehefa niakatra Fampanoavana omaly, dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Ankazondrano Fianarantsoa, ny roa lahy voalaza ho nanao hosoka tamin’ny fanadinana Bepc, tao amin’ny foibem-panadinana Joël Rakotomalala. Araka ny tati-baovao voaray, dia fanoloana mpiadina niatrika ny taranja Malagasy ny alatsinainy lasa teo no iampangana azy ireo, ka ny iray ilay nosoloina ary ny iray ilay nanolo. Taorian’ny fisavana karapanondro nataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity foibem-panadinana ity no nahatrarana ny hosoka nataon’izy roa lahy.
Eric Manitrisa