Raha ny fanapahan-kevitry ny governemanta sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, dia tsy maintsy fendrahana fanafody avokoa ireo efitranom-panadinana rehetra vao azo andraisana mpianatra hanao izany fanadinana izany. Manomboka manao izany ny eto anivon’ny CISCO Toamasina I; izay fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny kaominin’i Toamasina renivohitra ny fanaovana izany. Toeram-panadinana miisa 119 handray ireo mpianatra 7.429 no hofendrahana fanafody amin’izany eto Toamasina renivohitra. Raha ny momba ny laza adina kosa dia efa tonga eto Toamasina izany, ny faran’ny herinandro teo, ka tsy misy ny atahorana ny mikasika ny fiambenana azy ity, satria mbola nampirimina eny anivon’ny polisim-pirenena aloha, alohan’ny hizarana azy amin’ny mpianatra, ny talata 15 septambra izao. Raha ny fanazavan’ny filoham-pirenena, dia miara-manao fanadinana amin’ny faritra Atsinanana ny faritra Analanjirofo sy ny faritra Atsimo Andrefana. Raha ny ao Analanjirofo koa dia efa vonona tanteraka ny mpianatra, ny mpampianatra, ny mpikarakara an’ity fanadinam-panjakana voalohany ity. Efa manomboka ihany koa ny famendrahana fanafody ireo foibem-panadinana misy any an-toerana, mba hitandrovana ny fahasalaman’ireo kilonga hiatrika izany.
Malala Didier