- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanadinana hidirana mpianatra ho zandary

Fanadinana hidirana mpianatra ho zandary

Araka ny efa fandaharam-potoana, dia ny asabotsy 20 sy ny alahady  21 desambra 2014 ho avy izao no hanaovana ny fanadinana hidirana  ho mpianatra zandary, manerana an’i Madagasikara amin’ity taona ity.

Ka noho izany, dia ampatsiahivina sy antsoina ireo mpiadina nisoratra anarana mba hanatona ny vondron-tobim-paritra sy ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy mialoha ireo daty ireo, mba hijery ny anarany, fa tsy misy ny fiantsoana na “convocation” nalefa.

Raha mila fanazavana fanampiny sy hijery ny lisitry ny mpiadina izany, dia iangaviana izy ireo mba hanatona ireo toerana voalaza ireo. Marihana fa, amin’ny 07 ora maraina tsy diso ny fiantsoana anarana ary aoka tsy hohadinoina ny kara-panondrom-pirenena sy ny fitaovam-panoratana.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser