- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanadiovana ny moron-dranomasina : Niara-nientana ireo vondron-tanora teto Toamasina

Fanadiovana ny moron-dranomasina : Niara-nientana ireo vondron-tanora teto Toamasina

Vondron-tanora maromaro navondron’ny tambajotran-tserasera “facebook”, nahitana ny K501, ny Fitsa, ny fikambanan’ny tanora eo anivon’ny LJR,… ary ny fikambanana “Bekorontana”, no tonga maro be nanefa ny adidiny teny amoron-dranomasina nanadio izany, mba hananany haingo tsara amin’izao fotoana fialana amin’ny fihibohana izao, na mbola tsy afaka mitangorona eny aza ny rehetra. Nodiovina avokoa ireo fako rehetra teny amoron-dranomasina navelan’ireo mpitsangantsangana talohan’ny fihibohana. Gony maromaro ihany no voaangona tamin’izany. Nifanampy tamin’ireto tanora ireo nanatontosa izao hetsika izao ny governora sy ny ben’ny tanàna, tamin’ny fanampiana ara-pitaovana sy ny enti-manana. Tsy mifarana hatreo anefa ny hetsika atao, hoy ireto tanora ireto, fa amin’izao ankatoky ny fanadinana CEPE atao eto Toamasina tsy ho ela izao, dia manao hetsika eo am-panangonana “chocolat” hozaraina amin’ireo mpiadina indray izy ireo ankehitriny, tahaka ny nataon’izy ireo ny herinandro lasa iny nanangona lamba nozaraina tamin’ireo mahantra mipetraka ao amin’ny Dojo Soavita.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici