Nisesisesy tato ho ato izay ny fanafihan-dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Tokantrano telo be izao no indray nasesin’ny dahalo, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo, tany Antanetibe Mahazaza. Araka ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana dia naharitra adiny iray teo ny fanafihana nataon’ireo jiolahy 10 lahy, mirongo basy sy zava-maranitra. Soa fa tsy nisy aloha aina nafoy na olona naratra nandritra ity fanafihana nataona andian-jiolahy ity. Zavatra maro kosa anefa no azon’ireo jiolahy tamin’izany. Volabe, mitentina 3 tapitrisa Ariary any ho any, miampy firavaka volamena maromaro, peratra, kavina, rojo. Mbola niampy fitaovana sarobidy isan-karazany, toy ny solosaina, finday, sns.
m.L