Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny kaominina Anjoma Ramaritina, olona 4 no fantatra fa maty voatifitra, 7 maratra mafy ary maherin’ny 50 ny trano nodoran’ireo dahalo. Tao amin’ny fokontany Morafeno, vohitra antsoina hoe Beombalahy no nisehoan’ny fanafihana ny alin’ny alahady tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any, raha ny filazan’ny loharanom-baovao. Tsy latsaky ny 50 lahy ireo jiolahy nanafika raha tombatombanana, hoy hatrany ny loharanom-baovao any an-toerana, ary voalaza fa miandahy miambavy izy ireo sady mirongo fitavaom-piadiana mahery vaika. Tifitra variraraka avy hatrany no nasetrin’ireo dahalo ny fokonolona nahasahy nivoaka tamin’ny fahatongavan’izy ireo tao an-tanàna. Vokany, efatra no maty teo no ho eo, ka isan’izany ny vadin’ny sefo fokontany sy ketekista iray. Maro kosa no naratra mafy ary mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao ora anoratana izao, satria misy voatifitra ny faritry ny loha sy ny tratra. Niezaka nanohitra ihany ny mponina saingy noho ny hery tsy mitovy dia nilavo lefona. Tsy nijanona teo ny habibian’ireo dahalo fa saika nodorany avokoa ny trano tao amin’ity fokontany Morafeno ity ka tsy latsaky ny 50 tafo no may kila forehitra tsy nisy noraisina intsony. Raha ny fantatra dia kizo hatrizay, fandalovan’ny dahalo ity ao Beombalahy ity, saingy nisy mpifindra monina nanorim-ponenana ao ankehitriny ka nanelingelina ny asa ratsin’ireo dahalo. Vao haingana, raha ny fantatra, no nisy omby tsy tafavoakan’ireo dahalo nandalo tao Beombalahy ka tombana no hilazana fa mety ho valifaty ity fanafihana ity. Raha ny vaovao voaray hatrany an-toerana mantsy dia tsy nisy afa tsy omby roa no lasan’ireo dahalo.
Andry N.