Ankoatra ilay zandary GP2, namoy ny ainy nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo nitranga tany amin’iny distrikan’i Mandritsara iny ny faran’ny herinandro teo, dia fantatra izao fa nisy olona telo hafa ihany koa namoy ny ainy. Ny iray tamin’ireo, isan’ireo fokonolona nanara-dia ary ny roa kosa anisan’ireo dahalo nanafika.
Raha hiverenena kely ny zava-nitranga dia nisy fanafihan-dahalo mahery tao amin’ny tanana antsoina hoe Tsirangotina, ao amin’ny kaominina Ambohisoa, distrikan’i Mandritsara. Omby manodidina 80 isa teo ho eo no lasan’ireo andian-dahalo izay nirongo basy isan-karazany. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo mponina ary nisy ny fanarahan-dia nataon’izy ireo niaraka tamin’ireo zandary. Tsy dia lasa lavitra raha nizotra nihazo ny distrikan’Andilamena iny ireo dahalo, dia nifanehatra tamin’ireo mpanara-dia. Raikitra avy hatrany ny fifandonana, izay nahery vaika tokoa. Nandritra izany no nahalavo ilay zandary, lehibena « poste fixe » tao Andrangeza, kaominina Andohajango. Nisy iray tamin’ireo fokonolona ihany koa namoy ny ainy. Ity farany moa dia hita tanaty hantsana. Tsy nahitàna ratrana bala ny vatany, raha ny fampitam-baovao azo. Heverina araka izany fa mety ho nitsoaka ity olona ity nandritra ilay fifandonana ka latsaka tanaty hantsana ary niafara hatramin’ny fahafatesany. Nambaran’ireo fokonolona ihany koa fa nisy roa tamin’ireo andian’olon-dratsy nifanehatra tamin’izy ireo no lavo, saingy nentin’ireo namany haingana ny vatana mangatsiakany. Etsy andanin’izay moa dia fantatra fa mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy sy ny fanarahan-dia ataon’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona.
m.L