- Publicité SW45 -
mardi, juillet 9, 2024
AccueilFaits-DiversFanafihan-dahalo : Nitsoaka ny mponin’Ilakaka sasany omaly !

Fanafihan-dahalo : Nitsoaka ny mponin’Ilakaka sasany omaly !

Nihorohoro ary nisy ny tapa-kevitry ny nitsoaka ny tanàna omaly ihany. Izany dia taorian’ny nandefasan’ny dahalo taratasy fa hanafika izy ireo. Tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana izany hafatra izany, raha araka ny vaovao azo. Manodidina ny 200 lahy no hanafika, raha araka ilay taratasy izay tsy noraisin’ny mponina ho ambanin-javatra satria efa fanaovon’ny dahalo tato anatin’ny roa taona izay, ny mampandre mialoha alohan’ny hahatongavan’izy ireo. “Nisy ny nibata entana izay zaka ary niala teo an-tanàna. Nisy ihany kosa ny tsy afa-nanoatra dia nijanona eo an-toerana ihany saingy mailomailo sy mandry andriran’antsy. Niomana ihany koa ny mpitandro ny filaminana ary nakambana ny hery mba entina hiatrehana izay mety hiseho omaly alina” raha araka ny fanazavan’ny mponina izay nampita mivantana ny zava-nisy. Raha tsy fanakorontan-tsaina fotsiny ny tranga toa izao dia midika fa mbola tsy foana ny dahalo any atsimo. Izany  dia na teo aza ny filazàna fa maro ny niova fo tamin’izy ireo ka lasa nihavana tamin’ny mpitandro ny filaminana. Omaly dia tao anatin’ny horohoro tanteraka ny mponin’Ilakaka manoloana an’ity taratasy fampilazàna ity. Ny poa-basy eny amin’ny toeram-pitrandrahana mantsy dia toa efa tsy dia ahoan’izy ireo intsony, saingy kosa roanjato lahy mitam-basy hanafika izany, toa niteraka tahotra ho an’ireo olona marobe izay nisy ny tapa-kevitry ny nandray fepetra avy hatrany ka niala ny tanàna aloha mandram-pilamin’ny raharaha.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser