Nahery vaika tokoa ny fanafihan-dahalo sy ny fifandonana nisy teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo andian’olon-dratsy tao Saronala Mahabo, ny alakamisy teo. Araka ny fampitam-baovao azo mantsy dia nisy iray tamin’ireo zandary nifanandrina tamin’ireo dahalo no lavo an-tanim-piadiana. Olon-tsotra telo ihany koa, anisan’izany ny iray nalain’izy ireo an-keriny no maty tao anatin’izany. Tetsy andanin’izay kosa anefa dia voalaza fa nisy 11 lahy tamin’ireo malaso no tsy afa-manao intsony ny asa ratsiny.
Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina tany no tonga nanafika io tanana io andian-dahalo am-polony maro nirongo fiadiana. Nambaran’ny vaovao fa omby manodidina ny 127 isa teo no azon’izy ireo niaraka tamina vehivavy miisa enina, izay nentin’izy ireo an-keriny natao takalon’aina. « Rombo tanteraka ny tao an-tsena tamin’io fotoana io, satria dia saika nodarohin’ireo malaso avokoa izay nifanena taminy. Hany ka marobe ireo naratra izay nentina tany amin’ny hopitaly tany Mahabo » hoy ny fampitam-baovaon’olon-tsotra avy any. Taorian’ny fanafihana dia nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana ary raikitra ny fanarahan-dia. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo no nifankatratra tao Toraparà, fokontany Andranomandevy, kaominina Befotaka ny roa tonta ka raikitra teo ny fifandonana voalohany. Tamin’io fotoana io no nahalavo ny zandary iray kilasy faharoa miasa eo anivon’ny Tobim-paritry ny zandary ao Mahabo. Sivily telo ihany no maty vokatr’izay ka ny iray tamin’ireo vehivavy isan’ny ireo nentin’ireo dahalo an-keriny. Tamin’ireo dahalo am-polony maro kosa dia nisy roa no maty voatifitra. Teo ho no eo ihany moa dia nisy ny fanafarana angidim-by nomen’ny fitondram-panjakana avy tamin’ny alalan’ny Etamazaoron’ny Tafika. Nanampy ny fanarahan-dia ireo miaramila teo anivon’ny kaompania fahatelo avy amin’ny Rezimanta miaramila fahadimy sy ny avy ao amin’ny Zrps Ankilizato. Niditra an-tsehatra ihany koa ireo zandary avy ao amin’ny CSAO Malaimbandy. Nitohy ny fanenjehana ka tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany no raikitra indray ny fifandonana faharoa, rehefa tratra teo Ambohitsimatipandrea, fokontany Patifaty, kaominina Befotaka ireo dahalo tafatsoaka tamin’ilay fifanandrinana voalohany. Vokany, avotra soa aman-tsara ireo takalon’aina dimy, azo avokoa ny omby. Dahalo sivy indray no maty voatifitry ny zandary ary roa hafa azon’ny miaramila sambom-belona. Ny sisa kosa tafaporitsaka. « Efa fantatra avokoa ny anaran’ireo dahalo nanao io fanafihana io ary tsy hitsahatra ny zandary sy ireo miaramila raha tsy voasambotra avokoa izy ireo » hoy ny vaovao nampitain’ny zandary. « Tsy mikely soroka amin’ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany, na dia mihatra aman’aina aza izany. Tsy havela ho very maina ireo rà latsaka fa hatao hazalambo ireo dahalo mbola afa-nitsoaka ». Mbola mitohy araka izany ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto farany any an-toerana.
m.L