- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihan-dahalo tao Mahatsinjo: Trano sivy kila forehitra, olona roa vaky loha voatoto...

Fanafihan-dahalo tao Mahatsinjo: Trano sivy kila forehitra, olona roa vaky loha voatoto vodim-basy

Dahalo 15 lahy nirongo basy nandravarava tao an-tanànan’ i Mahatsinjo any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Tsiandro, Distrikan’ Antsalova, afak’omaly naraina. Rehefa tafiditra ny tanàna ireo malaso nanapoapoaka basy dia nidaroka izay olona hitany, ka lehilahy roa naratra mafy vaky loha voatoto vodim-basy. Teo anatrehan’ny horohoro sy tahotra dia tsy afa-nanohitra ny mponina, ka niliba ireo dahalo nandroaka ny omby rehetra teo an-tanàna manodidina ny 50 isa teo, avy eo nandoro trano ireo malaso, ka trano sivy tao Mahatsinjo may kila forehitra hotohoton’ny afo. Ny mahagaga anay, hoy ny Ben’ny tanànan’i Tsiandro, Amir Sebastien Chebany, fa  “misy “Poste Avancé” sy  trano ipetrahan’ ireo Zandary nahazo taratasy fanendrena hiasa eto Mahatsinjo, kanefa nanomboka ny 15 jolay teo no niala teto aminay ireo Zandary voatendry hiasa eto, ary tsy mbola niverina hatramin’izao, na dia efa nividianana ny fitaovana rehetra sy kojakojan-dakozia ilain’izy ireo, ary ny Fokonolona no miantoka isan’andro ny sakafon’ireo Zandary, ka ifandimbiasan’ireo vehivavy eo an-tanàna ny miketrika (mahandro) izany », hoy ny tolokon’ity olom-boafidy mahatsiaro tena ho kamboty ity nitatitra ny zava-misy, sady manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra hamaha ny olana haingana. Raha ny fanamarihana azo, dia vao ny taona 2014 teo no niforona ny Kaominin’i Tsiandro (50 km miala an’Antsalova renivohitry ny Distrika), ary Fokontany dimy no mandrafitra azy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici