Nitsoaka nihazo an’i Sabotsy Namehana iny ny sasany tamin’ireo olon-dratsy, ireo izay tsy voatifitra sy tsy voasambotra, rehefa avy nifanandrina tamin’ny mpitandro filaminana ny maraim-ben’ny alarobia lasa teo. Tsy tany an-toerana intsony no nitohy ny raharaha…
Raha tsiahivina ny zava-niseho. Ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo dia mpivarotra enta-madinika iray no niharan’ny fanafihana mitam-piadiana tetsy Ambatomitokona, tanàna manamorona iny lalam-pirenena fahatelo iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana, taorian’ny antso azon’izy ireo, ny zandary avy etsy amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanarivo. Raikitra teo ny fifanandrinana tamin’ireo olon-dratsy, izay tsy nisalasala nitifitra avy hatrany ireto zandary. Tamin’io fotoana io, maty voatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy, tafatsoaka ny ambiny, nihazo ny lalana miakatra aty an-drenivohitra iny. Ny maraina dia efa voasambotra tao Talata Volonondry sy Ambohibao Sud ny roa. Ny efatra kosa tafaporitsaka. Tsy namelan’ireo zandary anefa ny raharaha ary raikitra ny hazalambo. Fantatra fa misy sasany tamin’ireo mpanafika no miafina ao Sabotsy Namehana. Ny marainan’ny zoma lasa teo, rehefa hita soritra ny toerana misy azy ireo, ao Ambohinaorina dia nisy avy hatrany ny fidinana ifotony.
Vao nahatazana ireo zandary avy lavitra tamy nanatona ny tanàna fotsiny iretsy olon-dratsy avy hatrany dia nanao tifitra variraraka. Voatery namaly sy niaro tena iretsy mpitandro filaminana. Nitatatata vao maraina indray ny basy. Raha ny voalaza dia roa lahy tamin’ireo mpanafika ihany ireto sahy nifanandrina tamin’ny zandary ireto. Voan’ny bala teo amin’ny tongony ny iray tamin’izy ireo ary naratra mafy. Ilay namany kosa tafatsoaka indray. Ilay olon-dratsy naratra kosa nentina novonjena haingana tao amin’ny hôpitaly Anosiavaratra, saingy voalaza fa noho ny fahaverezan-drà be loatra dia namoy ny ainy teny an-dalana ity farany. Tsy azo najanona tao amin’ny hôpitaly moa ny vatana mangatsiakan’ity farany noho ny tsy fisian’ny tranom-paty ka nentina nihazo ny hôpitaly teny Ampefiloha, miandry ireo havany haka azy.
Mbola mitohy kosa etsy andanin’izay ny hazalambo atao amin’ireo telo lahy mbola miriaria any, raha ny vaovao azo. Telo lahy izay sokajiana ho jiolahy rain-dahiny mitana fitaovam-piadiana.
m.L