- Publicité SW45 -
mardi, mars 25, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana Analamahitsy : Misy vehivavy iray voasambotra, vola 774.328.000ar tafaverina

Fanafihana Analamahitsy : Misy vehivavy iray voasambotra, vola 774.328.000ar tafaverina

Ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny « brigade criminelle » nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny « brigade criminelle » nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Nampanantena ny mpitandro filaminana fa tsy maintsy ho fantatra ny niavian’ny basy azo eny amin’ny jiolahy. Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly teny Anosy, ny tompon’andraikitra ao amin’ny “brigade criminelle” mikasika ilay fanafihana ny “Perception” teny Analamahitsy tamin’ny alatsinainy teo. Mandeha miandalana ny fanadihadiana ataon’izy ireo. Fantatra amin’izao fotoana izao fa misy olona roa voasambotra, lehilahy sy vehivavy iray.  Voalazan’ireo mpitandro filaminana fa tena matihanina tokoa ireto jiolahy satria mampiasa anarana sandoka. Nahitana karapanondro iray tany amin’izy ireo. Rehefa nojerena ilay izy dia amin’ny anaran-dRamaroson Emile, izay mipetraka any Alasora. Rehefa nohadihadiana anefa ilay vehivavy iray tratra dia nanambara fa izany Angelo izany no niantso azy haka ny volany fa tsy izany Emile izany. Nahatratra 774.328.000 ar moa no vola voangona tamin’io fotoana io ary marihin’ny tao amin’ny  mpitandro filaminana misahana ny fikarohana ny heloka be vava fa nisy ny vola lasan’ireo jiolahy tafatsoaka, izay mbola tsy tena fantatra marina ny isany.

Niezaka nanazava moa ny tao amin’ny sampana mikarakara ity raharaha ity fa voatery izy ireo nampiasa hery.  Ny jiolahy no nitifitra voalohany, hoy izy ireo, ary namaly ny polisy ka nahatonga azy ireo hitifitra satria ady aman’aina.  Ka na ny jiolahy no mahavoa na ny avy aty amin’ny mpitandro ny filaminana no maty.

Tsy nisy fiantraikany teo amin’ny beantitra moa fa dia nitadiavana vola fanampiny tany amin’ny « paierie generale » ny fisotroan-drononon’ izy ireo. Ankoatra ny vola tafaverina dia tratra teny an-toerana ihany koa ny basy kalachnikov sy bala miisa 10, teo ihany koa ny basy PA vita gasy roa miaraka amin’ny bala ary matraque.

Hentitra dia hentitra moa ny mpanao famotorana ka nampanantena fa dia hijery ifotony izay nipoiran’ny basy mahery vaika izay miparitaka atsy sy eroa, ka hanaporofoana marina ny toerana nivoahan’izany. Ka tsy ho ela dia hivoka ny marina momba ity raharaha ity.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser