- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihana Antanimena : Olona efatra avy niandry faty nosamborina

Fanafihana Antanimena : Olona efatra avy niandry faty nosamborina

Petara, grenady, kalach…teo Antanimena avokoa izany no hita (sary tahiry)
Petara, grenady, kalach…teo Antanimena avokoa izany no hita (sary tahiry)

Petara fa tsy grenady ilay nampiasain’ny jiolahy nandeha môtô ka nampisahotaka ny mpitandro filaminana.

Ratsy fivoahana izy ireo, satria sendran’ny toe-javatra mbola nifamahofaho be ary mbola nafana be ny fitadiavan’ny pôlisy ireo jiolahy tetsy Antanimena, fotoana fohy taorian’ny fanafihana ilay toeram-pisakafoanana teo an-toerana. Vao avy niandry faty izy ireo ka handeha hamonjy tokantrano no nifanena tamin’ireo pôlisy  vao avy notorahan’ny jiolahy  “grenady”. Noraofina avy hatrany ary tonga dia nentina teny amin’ny birao tetsy Tsaralalàna. Natao ny fanadihadiana rehetra ary natolotra ny pôlisy miandraikitra ny heloka bevava omaly. Tsy nisy vesatra azo nitazonana azy ireo, satria voaporofo fa tena nisy maty tokoa teo an-toerana ary niandry tao izy ireo. Navotsotra omaly ireo olona. Momba ity raharaha fanafihana ity ihany dia voamarina ankehitriny fa tsy grenady izany ilay nampiasain’ny jiolahy tetsy Antanimena. Petara entina mankarenina (pétard assourdissant) no nentin’izy ireo nampitahotra ny mpitandro ny filaminana. Raha tsiahivina dia nandeha môtô ilay jiolahy nanipy an’io ka nahatonga sahotaka ary nitarika hatramin’ny tsy nahazoana ireo jiolahy nanafika tao anatin’ilay “restaurant”. Mifamahofaho be ihany ny vaovao mahakasika ny raharaha rehefa hita ny basy “kalachnikov” ary koa nahitàna grenady ny ampitson’iny teo amin’ny kartie tsy mifanalavitra. Mandeha ny feo fa an’ny vondrona iray an’ny mpitandro ny filaminana ilay basy. Feo fotsiny ihany aloha izany hatreto satria mbola  mandeha ny fanadihadiana etsy Anosy. Momba ilay grenady koa dia fantatra fa samihafa amin’ny grenady hita hatrizay ny laharany (lotissement). Ireo nampiasaina tamin’ny asa fampihorohoroana nifanesy (toeram-pivarotan-tsolika, Anosy, Analakely, Ambondrona) mantsy dia miantomboka amin’ny 144 ny laharana. Ilay hita afak’omaly tetsy Ankorondrano kosa dia miatomboka amin’ny 7XX. Na izany aza anefa dia samy grenady vita sovietika avokoa izy ireo. Avy aiza no niaviany? Aoka tsy hiteny intsony fa grenady tamin’ny krizy 2002 na 2009, toa ny mahazatra indray ny tomponandraikitra rehefa ho fantampantatra izay mety ho toeram-pitazonana fitaovam-piadiana nisy azy ireny. Torak’izany ihany koa ny momba ny kalachnikov izay natsipin’ny jiolahy tetsy Antanimena. Mijaly loatra ny vahoaka raha tsy ho tonga hatramin’ny farany mihitsy ny fanadihadiana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser