Ankoatran’ilay fisamborana bandy roa lahy niendrika horonantsary nitranga tetsy 67ha, ny herinandro lasa teo, dia nisy ihany koa fisamborana olona hafa, miisa telo indray teny an-toerana ihany sy tany Ambatobe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ireto olona voasambotra ireto moa dia voarohirohy tamina resaka fanafihana mitam-piadiana, izay nahalasibatra ireo « cash point » sy fivarotana ambongadiny maromaro teto An-drenivohitra, anisan’izany ilay tetsy Avaradoha, vao andro vitsy lasa izay.
« Mahakasika indrindra ny tsy fandriampahalemana miseho eto Andrenivohitra sy ny manodidina, toy ireny fanafihana « cash point sy grossiste » ireny dia nanao hetsika manokana ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena » hoy ny loharanom-baovao azo. Vokatr’izay, dia tafakatra dimy aloha hatreto ireo olon-dratsy voasambotry ny pôlisy mahakasika ireo raharaha maloto ireo. Ny roa, izay tra-tehaka tetsy akaikin’ny toby fivarotan-dasantsy iray tetsy 67ha avaratra, dia mbola nahitana fitaovam-piadiana maromaro tany aminy. Efa nadoboka tany Tsiafahy avokoa moa izy roa lahy ireto. Taorian’io dia fantatra, ny sabotsy lasa teo, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena hatrany, fa nisy jiolahy telo hafa tratran’izy ireo teny amin’iny faritra 67ha iny sy teny Ambatobe. « Nahatrarana antsy lava lela tao amin’izy ireo nandritra ny fisavana ny tranony. Mbola tratra tao aminy ihany koa ny môtô fampiasany rehefa manatanteraka izany asa ratsy izany ». Omaly moa izy ireo no natolotra tetsy anivon’ny Fampanoavana ka inoana fa mety ho nasaina namonjy ireo namany roa lahy efa eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Mahavelombolo tokoa ny ezaka toy izao, ary heverin’ny besinimaro, fa tsy hiroborobo am-boalohany fotsiny ny hetsika tahak’ity, fa mba hisy foana, handravana tanteraka ireo tambazotran’olon-dratsy …
m.L