Mbola tratra teny amin’ity lehilahy iray voarohirohy amin’ny fanafihana ireny toerana fakàna sy fandefasana vola ireny ny vola marobe, niaraka tamin’ny entana sarobidy isan-karazany mbola vaovao avokoa. Ny alakamisy hariva teo izy ity no voasambotra rehefa nisy ny fanadihadiana nataon’ny pôlisy.
Tamin’ny alalan’ny angom-baovao isan-karazany azo teo anivon’ny polisy avy ao amin’ny CUI (compagnie urbaine d’intervention) etsy Tsaralalàna, niaraka tamin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy no nahafantarana ny fisian’ny lehilahy iray ahiahiana ho isan’ireo nandray anjara tamin’ireo fanafihana « cash point » maro teto an-drenivohitra, eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. Niroso avy hatrany tamin’ny fidinana teny ifotony ireo pôlisy ary niezaka nanara-maso ity lehilahy. Ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any no nosamborina teny an-toerana ilay lehilahy. Nambaran’ny Lehiben’ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna fa mbola tratra tany amin’ity farany ny vola misimisy ihany. Nahitàna entana sarobidy isan-karazany, izay ny sasany amin’izy ireo dia mbola vaovao vao novidiana vao haingana ihany koa tao an-tokantranony. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ity farany ary ho fantatra tsy ho ela ihany ny vokatr’izay. « Mbola misy ny namany hafa, hoy ny fanazavàna azo, ary efa eo an-dalam-pikarohana izany izahay ». Heverina mantsy fa tsy olona iray na roa fotsiny no tao ambadik’ireny fanafihana misesisesy ireny fa mety ho tambajotran-jiolahy matanjaka mihitsy.
Marihana fa manoloana ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ity ary nahalasibatra ireny toerana fandefasana sy fametrahana vola ireny, na ilay fantatra amin’ny anarana mahazatra hoe « cash point » dia efa nametraka paik’ady matotra ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. « Saika mandeha kodiaran-droa avokoa izy ireo, hoy ny fanazavàna nentin’ny Lehiben’ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna. Ao ireo manafika ankitsirano ireo toeram-ponenan’ny tompon’izany « cash point » izany, ao ireo miandry kendry tohana ka na manafika ilay mpandraharaha ao anatin’ny ora fivoahany na firavàny. Eo anatrehan’ireny dia iaraha-mahalala fa efa misy ny hetsika atao eto anivon’ny pôlisim-pirenena, indrindra fa ny eto an-drenivohitra tamin’ny alalan’ny fanangonam-baovao sy ny fisafoana na andro na alina. Ary dia izao ahazoana vokatra izao. Tsy mitsahatra fa mbola mitohy hatrany izany », hoy hatrany ny fanavazàna azo.
m.L