Mpiasa amin’ny « cash point » izay mpiray tsikombakomba amin’ireo jiolahy mpanafika ny roa tamin’ireto voasambotra. Vadin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy kosa ilay vehivavy voasambotra. Ilay lehilahy iray kosa dia efa jiolahy rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ary efa nifonja noho izany raharaha izany.
Nanjaka tokoa tato ho ato izay ny fanafihana « cash point ». Ny farany teo, izay nahafaty raim-pianakaviana iray teny Ilanivato ary nahavoatifitra zaza tsy manan-tsiny roa. Rehefa nanao ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana, ny pôlisy avy eo amin’ny Sut (sureté urbaine de Tananarivo) dia fantatra tamin’ny alalan’ny angom-baovao fa mipetraka eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny ny iray tamin’ireo mpanafika. Nidina ireo pôlisy avy hatrany teny an-toerana moa ny herinandro lasa teo ka nisy lehilahy niisa telo tratra tao an-tokantranony. « Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky ny helony izy ireo ary eny Anosibe, Namontana, Anosipatrana, Anosizato, Andavamamba, Ampefiloha no toerana efa nanaovan’izy ireo fanafihana (…) Marihina fa ny roa mpiasa amina « Cash point » dia manondro sy manome vaovao mahakasika izay mpanjifa tokony hotafihina ». Ilay iray miaraka amin’ny namany no manantanteraka ny asa ratsy. Ary ilay vehivavy, vadin’ny iray tamin’ireo jiolahy dia mpitondra entana : mpitondra ireo fitaovam-piadiana mitsoaka rehefa vita ny asa ratsin’izy ireo. Raha ny voalazan’izy ireo dia basy sy « big boss » no entin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Ilay vehivavy moa dia tra-tehaka teny amin’iny faritra Anosy iny ny sabotsy lasa teo. Araka izany dia mbola misy naman’ireto tambazotrana mpanafika « cash point » ireto, mandehandeha sy miriaria any ary efa eo am-pikarohana tanteraka izany ireo mpanao fanadihadiana. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto ka ny ireo telolahy dia nadoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ary ilay vehivavy kosa notazomina eny Antanimora, mandram-piadrin’ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
m.L