Jiolahy rain-dahiny iray fantatra amin’ny anarana hoe « Tovo brown » no maty voatifitry ny pôlisy avy eo anivon’ny sampana hery vonjitaitran’ ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna, omaly, teny amin’iny faritra Ambohijanaka iny. Marihina, araka ny fampitam-baovo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, fa isan’ny jiolahy nandray anjara tamina fanafihana mitam-piadiana maromaro teto an-dRenivohitra ingahirainy ka anisan’izany ilay fanafihana « cash point » vao nitranga ny zoma lasa teo, teny Ampasampito, fanafihana « grossiste Fofifa », ary ilay famonoana olona tanaty « sprinter » tetsy Malaza.
Voalaza, fa taorian’iny fanafihana iny, dia nisy avy hatrany ny fanadihadiana natao ka tamin’izany no nahalalana fa izany « Tovo brown » izany no isan’ny tao ambadik’ilay fanafihana. Nisy ny fikarohana ity farany ka fantatra, fa eny amin’iny faritra Ambohijanaka « Lohanosy » no mipetraka ity farany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy kanjo vantany vao nahita izany ny lehilahy iray, avy hatrany dia nitsoaka. Raikitra ny fanenjehana. Tsy vitan’ny nitsoaka anefa io lehilahy io, fa mbola nitifitra ihany iretsy mpitandro filaminana. Nisy ny fifamaliana tifitra ka tamin’izay no nahalavo azy. Teo moa no fantatra, fa io no « Tovo brown » aminy. Inoana araka izany fa mba hilamindamina indray hatreto aloha ity fanafihana mitam-piadiana, izay toa lasa nihanahazo vahana teto amintsika, indrindra fa tato anatin’ny herinandro vitsivitsin’ny fihibohana izay.
m.L