- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana « cash point » tetsy Tsiadana : Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny basy

Fanafihana « cash point » tetsy Tsiadana : Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny basy

Jiolahy rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana no voasambotry ny pôlisy teny amin’ny lalam-by Andohan’i Mandroseza, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy any amin’ny polisy dia isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana « cash point » nitranga teny Tsiadana ity lehilahy ity, niaraka tamin’ny ekipany. Ary tsy ny teny ihany, araka ny fanazavàna azo, fa tompon’antoka tamina fanafihana maro nitranga teto an-drenivohitra sy ny tany amina faritra maro izy ireo. Mbola tratra teny amin’ity olon-dratsy ity moa ny basy PA iray fentiny manao ny asa ratsiny.

Raha tsiahivina tokoa ny zava-nitranga tetsy Tsiadana dia notongavana andian’olona maromaro nirongo basy ireny toerana fandraisana sy fandefasana vola amina finday ireny, teo akaikin’ny fokontany, ny zoma lasa teo. Basy poleta roa no nentin’izy ireo, araka ny fanazavàna azo. Vola mitentina eo amin’ny dimy tapitrisa ariary teo niaraka tamina finday maromaro no lasan’ireo olon-dratsy. Tamin’io fotoana io ihany dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy raha vao nahazo antso vonjy. Tonga avy hatrany teny an-toerana sy nanatanteraka fanarahan-dia, izay tonga hatrany amin’ny lalam-by. Tamin’izany indrindra no tojo roalahy nampiahiahy ireo mpitandro filaminana. Iretsy voalohany ihany koa moa raha vao nahatazana ireo pôlisy dia nitsoaka avy hatrany. Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotra ny iray ary io mbola nahatratrarana basy poleta io. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana ity voasambotra ity ka tamin’izany no nahafantarana fa izy no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana niaraka tamin’ny namany. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana ireo namany hafa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici