- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana « cash point » : Vehivavy no mitily izay hatao lasibatra

Fanafihana « cash point » : Vehivavy no mitily izay hatao lasibatra

Efa maty paika tanteraka ny fanantanterahana ny asa ratsy ataon’ireo andian-jiolahy. Misy mantsy ny mpitily fotsiny izay toerana azo tafihana, misy indray ireo mpamatsy basy ary ao ireo mpanafika sy mpandray anjara mivantana. Efatra izy ireo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Antananarivo Renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo ary lehilahy ny telo. Araka ny fantatra, dia saika izy ireo avokoa no tompon’antoka tamin’ireo fanafihana toeram-pivarotana fanakalozana vola na ilay antsoin’ny maro hoe « cash point » teto An-drenivohitra. Anisan’izany ilay teny Ankazomanga, ny voalandohan’ny volana jona lasa teo, na io ilay « cash point » na io ilay lehilahy nitaingina môtô sy nitondra vola, voatifitra teny an-toerana. Mbola ireto farany ihany koa no isan’ny tompon’antoka tamin’ilay fanafihana an’ilay mpitondra môtô tetsy Ankorondrano, herinandro vitsy lasa izay. Ity farany izay vao avy naka vola tamin’ny banky no sendran’izy ireo, araka ny fanazavana azo hatrany. Ary tsy nijanona teo moa ny asa ratsy vitan’izy ireo, fa fantatra ihany koa fa mbola saika hangalatra fiara marika « sprinter » tetsy Androndra ihany koa izy ireo. Marihana, fa mbola tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta iray, niaraka tamin’ny bala vitsivitsy fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Natolotra ny fampanoavana ny sabotsy teo izy efatra mianadahy ireto ka ireo mpanafika roa lahy dia nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy. Ilay vehivavy sy ilay lehilahy hafa mpamatsy basy kosa  nalefa eny Antanimora. Mbola misy naman’izy ireo mandehandeha any, raha ny voalaza hatrany, saingy efa eo an-dalam-pikarohana azy ireo ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici