- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana eny Itaosy : Nisy iray maty voatifitry ny pôlisy

Fanafihana eny Itaosy : Nisy iray maty voatifitry ny pôlisy

Nisesy ny fanafihan-jiolahy teny amin’ny manodidina an’Itaosy ka nahatonga ny pôlisy nihetsika tamin’ny angom-baovao sy ny fisamborana ireo izay nahiana. “Niainga tamin’ny fisamborana ireo mivezivezy amin’ny alina ka tsy manana karatra izany. Folo lahy no voasambotra teny Avaratetezana ny alakamisy teo. Tao anatin’ireo no nisy nitsoaka ka voatery nanapoahana basy. Mbola nanohy ny diany ihany ka voatery nitifitra azy ny polisy”, raha araka ny fampitam-baovao azonay avy amin’ny pôlisy. Niainga tamin’ireo olona voasambotra ny fanadihadiana rehetra ka teo no nivoaka ny anaran’ny olona telo izay nosamborina avokoa. “Niaiky avokoa izy telo fa anisan’ny nandray anjara tamin’ireo fanafihana misesisesy izay niseho teny Itaosy sy ny manodidina tato ho ato. Nanamarika ihany koa ireo olona fa nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny kalachnikov sy P.A nandritra ny fanafihana, hoy hatrany ny pôlisy. Mbola maro no karohina momba ity raharaha fanafihana etsy Itaosy ity. Anio no atolotra ny fampanoavana ireo voarohirohy rehetra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser