- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana fivarotana tetsy Anosibe : Nifanjevo ny tompon-trano sy ireo jiolahy

Fanafihana fivarotana tetsy Anosibe : Nifanjevo ny tompon-trano sy ireo jiolahy

Tsy nanaiky mora ny fanafihana ny toeram-pivarotany ity rangahy iray tetsy Anosibe ary nanohitra hatramin’ny farany ireo jiolahy. Vokany, zara raha nahazo ireo olon-dratsy ary latsaka hatramin’ny basy nentin’izy ireo, saingy kosa naratra mafy ity mahery fo ity. Omaly vao maraim-be no nisehoan’ity tranga ity tao Anosibe Atsinanana raha ny angom-baovao azo. Niisa teo amin’ny dimy lahy teo ireo olon-dratsy, izay nirongo basy poleta sy zava-maranitra, niaraka tamin’ny fitaovana fanapitsohana trano. Ny sasany tamin’izy ireo ihany anefa no niditra tao an-trano rehefa avy nanao amboletra ny varavaran’ity fivarotana ity, izay noheverin’izy ireo fa tsy nisy olona. Diso paika ihany anefa izy ireo, eny fa na dia nanapoaka basy aza, talohan’ny asa ratsiny, nentina nampitahorana ireo olona sendra mahita azy. Natory tsara tao anatin’io tsena io ny tompon-trano ary ny basy nipoaka no nahafahany niomana tanteraka hisetra ireto olon-dratsy. Raha ny fanazavàna azo dia vitan’ity rangahy ity nikapoka ny iray tamin’ireto jiolahy mpanafika, ilay nitondra basy ka nipitika ity fitaovam-piadiana. Na izany aza anefa, sendra ny be noho ny vitsy izy ka nisy tamin’ireo olon-dratsy no nidaroka avy hatrany amin’ny baramina teny an-tanan’izy ireo. Efa semban-drahona tamin’ity fanoherana tsy nampoizina ity ireto mpanafika ka tsy nanam-pidiny afa-tsy ny nandroaka izay kely zaka ary lasa nitsoaka, namela ilay fitaovam-piadiana ho latsaka tany. Tamin’io fotoana io ihany koa no nisy mpiray vodi-rindrina niantso pôlisy avy hatrany ka tonga avy hatrany teny an-toerana izy ireo. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana moa ny raharaha, ary nentina notsaboina kosa ity tompona fivarotana naratra sy sahy niaro hatramin’ny farany ny fananany ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici