Fantatra ankehitriny fa nahatratra 500 000 ariary ny totalin’ny vola voaroba tamin’ilay fanafihana ny toby mpaninjara solika Galana etsy Ankorondrano, ny alin’ny talata 25 jona lasa teo. Nivohitra izany tao amin’ny tatitry ny asa vitan’ny polisim-pirenena teto Antananarivo sy ny manodidina nanomboka ny talata 25 jona ka hatramin’ny 27 jona 2019. Raha tsiahivina dia lehilahy 02 tsy nisaron-tava, nitondra basy 01 no nanafika ireo « pompiste » sy mpitondra taxi 01 tsy lavitra teo. Tsy nisy basy nipoaka nandritra izany fanafihana izany, fa vola 500.000 ariary no lasan’ireo jiolahy izay lasa nadositra niaraka tamin’ny moto scooter. Raha ny lozam-pifamoivoizana dia nahatratra 09 no voaray teo anivon’ny Polisy misahana izany (BAC). Fito tamin’ireo no naharatrana olona ka ny 03 dia vokatry ny hamamoana teo am-pamiliana fiara. Ny nahafatesana olona kosa dia 02. Mahakasika ny Fandriampahalemana ankapobeny dia 636 ny olona nosavaina, 43 voasambotra noho ny halatra isan-tsokajiny avy. 36 kosa no nosamborina noho ny antony maro samihafa. Misy 74 notanana vonjimaika ka Polisy ny 01 tamin’ireo.
T.M.