- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana masera tao Andranomanelatra : Saika raikitra ny sakoroka teny amin’ny tobin’ny...

Fanafihana masera tao Andranomanelatra : Saika raikitra ny sakoroka teny amin’ny tobin’ny zandary

Voatery notapahana ora maromaro mihitsy ny lalana. Raikitra indray ny fifanjevoana omaly, tao amin’ny tobin’ny zandary tao Andranomadio, Antsirabe. Ankilany ireo mpitandro filaminana, tetsy andaniny kosa ireo olona marobe, fianakavin’ireo olona voarohirohy tamin’ilay resaka fanafihana tobin-dry masera tao Andranomanelatra. Nambaran’ireto andian’olona ireo fa tsy misy hifandraisany tamin’iny raharaha iny ny havan’izy ireo kanefa dia nosamborin’ireto mpitandro filaminana. Ary anisan’ny nampalaelo azy ireo ny fomba nisamborana ireto olona ireto. Nambaran’ireto andian’olona, izay nahitàna havana sy mpiray tanana amin’ireo voarohirohy ireto mantsy, fa nisy vehivavy bevohoka sy mitaiza kely, nosamborin’ireo mpitandro filaminana. Raikitra teo ny korontana. Nisy sasany tamin’ireo olona ireo no nitabataba sy nandrohana ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana. Nilaza ny tsy ahazoana maka sary ireo havany, izay tsy meloka akory. Ny sasany indray, avy hatrany dia niditra tao amin’ny biraon’ny zandary, nilaza fa hamoaka ny havany. Saika tsy voafehy ireto andian’olona ireto, izay efa nentin’ny fahatezerana tokoa, ka voatery niantso fanampiana ireo zandary tao amin’ny toby. Minitra vitsy taorian’izay no tonga ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo, niezaka nandamina ireto olona marobe. Hatramin’ny omaly hariva, dia tsy miala ary mitangorona eo anoloan’ny tobin’ny zandary eo ireto andian’olona maro dia maro ireto, ambenan’ireto mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia efa tafakatra any amin’ny 30 mianadahy any ireo olona nosamborina sy atao famotorana tamin’iny raharaha iny. Raha tsiahivina dia ny faran’ny volana martsa teo no nitranga ilay fanafihana miharo fanolànana tao amin’ny tobin-dry masera. Ny ampitson’iny no nanomboka ny fisamborana, izay nanafarana alika mpitsongo dia avy aty an-drenivohitra. Raha tsy misy ny fiovàna dia anio no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ireto olona voasambotra ireto araka ny vaovao hatrany.

Andry N. / m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici