- Publicité -
dimanche, décembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-basy : Mpiambina minisitra atao fanadihadiana

Fanafihana mitam-basy : Mpiambina minisitra atao fanadihadiana

Voarohirohy ho tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana iray nitranga, nanokafana fanadihadiana ao Toamasina ny mpamily ny fiara mitondra ny mpiambina ny minisitra iray. Mpitandro ny filaminana izy ary sokajiana ho mpiambina ny minisitra ihany eo amin’ny asany. Misy ofisie iray ihany koa ahiana ho niray petsapetsa taminy ka voatery nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Heverina fa nampiasa ny fitaovam-piadiny amin’ny fanafihan-jiolahy ireo, raha araka ny loharanom-baovao. Maro loatra ny mpitandro ny filaminana no tafiditra ao anatin’ny raharaha maloto, indrindra ny fanafihana sy ny fakàna an-keriny. Ny anton’izany, mazava loatra, dia ny fananan’ireo tsy tokony hanana izany basy. Misy ve ny fanadihadiana anatiny ary ara-potoana, alohan’ny hanomezana alàlana ireny olona ireny fitaovam-piadiana. Efa mahazatra loatra mantsy ny hoe basy efa tamin’ny krizy no nampiasaina sns, izay matetika entina hialàna bala rehefa misy ny tafiditra iray petsapetsa amin’ny zava-dratsy…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici