Isan’ny olana sedrain’ny vahoaka saika isan’andro eto Toamasina, ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy ny fakana an-keriny ary ny vaky trano arahina vono olona. Manao ny ezaka amin’izany ireo mpitandro ny filaminana isan’izany ny polisim-pirenena, saingy mahitanina amin’ny asa ratsiny ireo jiolahy ka sahiran-tsaina hatramin’ireo mpitandro ny filaminana ihany koa.
Na izany aza, manao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo amin’ny fanangonam-baovao sy ny fiarahana amin’ireo andrimasom-pokonolona isam-pokontany ary fisavana etsy sy eroa; izay nody ventiny ny ezaka nataon’ny polisy eto Toamasina ankehitriny. Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Tanambao II, ny zoma antoandro teo tokony ho tamin’ny mitatao vovonana olona efatra ka vehivavy ny telo ary vao tera-bao iray volana ny iray, monina ao am-paran’ny godorao Tanambao Verrerie Ambalakisoa. Mpanafina sy mpitahiry ireo fitaovam-piadiana fampiasan’ireo andian-jiolay mpanao fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny eto Toamasina ry zareo. Tratra nandritra ny fisavana natao, basy kalaky telo sy balany 122 izay mitondra ny marika “OG 81” izay bala niparitaka tamina fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny teto Toamasina, isan’ny nampiasana izany ilay polisy namonjy fodiana, ny 06 janoary teo maty teo am-pidiarana ny vavahadiny tao Androranga; sy basy PA iray niaraka tamina bala 31 manana ny laharana “SF 82” mazana hita tamin’ireo ambina bala fampiasa teto Toamasina tao ho ao; izay isan’izany ilay fanafihana tao Tanambao V nahafatesana olona iray tamina bala efatra sy tao Tanambao II naharatrana vehivavy iray teo amin’ny feny. Nisy ihany koa fahatrarana sabatra 3 sy fitaovana maromaro isan’izany ny finday telo fampiasan’ireo jiolahy sy ody gasy ho fiarovan-tenan’izy ireo mandritra ny asa ratsiny.
Anio no hiakatra fitsarana izao raharaha nahatrarana azy efatra mianadahy ireto izao, raha mikaroka ireo efa-dahy tena jiolahy mpampiasa ireto basy sy fitaovana tratra ireto kosa ny polisim-pirenena eto Toamasina. Fantatra ny momba azy efa-dahy ireto ary efa naparitaka ihany koa ny sarin’izy ireo, ka afaka miara-miasa amin’izay olona manome vaovao mikasika izany ny polisy.
Malala Didier