- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana eto Toamasina : Lasibatra indray ny « Cash Point »...

Fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina : Lasibatra indray ny « Cash Point » iray tao Bazary kely omaly antoandro

Tena mihantsy ireo mpitandro filaminana eto Toamasina ireo andian-jiolahy ankehitriny, satria tsy lavitra izay hoe manodidina ny 50m ny tobin’ny polisy tao Bazary kely no nitrangan’ity fanafihana mitam-piadiana nitranga omaly antoandro tokony tamin’ny 11ora ity. Raha ny fitantaran’ireo niharany dia tonga toa ny olon-drehetra ireto andian-jiolahy roa samy nitotra basy PA teny aminy niditra ny tranom-barotra “Cash Point” ity, ny iray hafa kosa fahatelo nijanona teny ivelany mbola manana basy PA koa teny aminy. Avy hatrany dia nanapoaka basy nanao tifi-danitra ireo roa lahy niditra ho fampitahorana ireo tao anatin’ilay “Cash Point” sy ireo mpikirakira izany hamoaka ny vola maty tao aminy, mbola tsy fantatra mazava ny vola lasan’ireto andian-jiolahy ireto. Vao nahazo ny vola izy ireo izay tena haingana be ny fanaovan’izany asa ratsy izany, dia nandeha an-tongotra toa ny olon-drehetra ary niditra ilay “Cité” teo akaiky teo ihany, toerana nametrahan’izy ireo ny moto nentiny. Tsy nisy naratra na maty aloha nandritra izao raharaha izao na teo aza ny fanapoahana basy PA izay mbola mitondra ny laharana “SF 82” hatrany ny vodim-bala hita nandritra izany. Haingam-pahatongavana ny polisy misahana ny hery vonjy taitran’ny polisy tamin’izao raharaha izao saingy haingam-piasa koa ireto jiolahy ka nokarohina sy narahan-dia aza dia efa tsy hita intsony ny nisy azy ireo. Raha ny angom-baovao hatrany dia heverina fa ireo 03 lahy tena karohana mpampiasa ilay basy kalaky sy PA ary bala marobe efa saron’ny polisy teto Toamasina farany teo ary efa nahazoan’olona 06 MD izay vehivavy ny 03 ireto andian-jiolahy 03 ireto. Ankoatra izany dia faharoa notafihan’ireo andian-jiolahy ity mpanao “Cash Point” voatafika ity satria ny tompony mihitsy no maty voatifitry ny Jiolahy ny taona lasa iny teo amin’ny tetezan’I Tanambao Verrerie, izay mbola andian-jiolahy telo nitondra moto ihany no nahavita izany tamin’izany, raha avy nanome vola ireo orinasa ahafahany manao ny asany amin’ny fanakalozam-bola fanaony, izay mpiasan’ny kaominina no tompony.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici