Efa ela no nahenoana amin’ireo andian-jiolahy manao fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina, fa saika manao akanjo miaramila sy mpitandro ny filaminana hatrany izy ireo amin’ny asan-jiolahy ataon’izy ireo, saingy izao vao mivoaka tsikelikely ny nafenina rehetra mikasika izany, efa tsy lazaina intsony koa ny resaka fakana an-keriny izay mazana ahenoana miaramila mandray anjara amin’izany nefa tsara mpiaro izy ireo hatramin’izay noho ny fisian’ny “an-kisasaka” amin’izany.
Tsy nisaron-tava. Nisehoana fanafihana ity tokantranom-pivarotra fahana sy manao ireny “mobile-money” ireny tao Ambohijafy, ny alin’ny 02 novambra nifoha ny 03 novambra teo. Lasa tamin’izany ny vola efatra tapitrisa ariary sy fahana mitentina telo tapitrisa ariary ary môtô iray. Nitondra basy kalaky izy ireo nandritra izany ka ny roa niditra tao an-tranon’ity fianakaviana ity, ny iray kosa tany ivelany ary samy tsy nisy nisaron-tava. Tonga ara-potoana noho ny antso azony tamin’ny mponina manodidina nahare ny fanafihana ireto fianakaviana ny polisy ka raikitra ny fanenjehana, saingy very an-dàlana izy ireo tao Ambalamanasy noho ireo sampanan-dalam-pasika tao an-toerana, ireto jiolahy kosa nandeha môtô ka afaka nisitritsitrika tsara, nefa tsy nitsahatra teo ny fanarahan-dia, fa nokarohina eran’ny fokontanin’Ambalamanasy izy ireo.
Nampandre ny orinasa tamban-jotra tompon’ireo fahana very ilay rangahy nisy nanafika, ka avy hatrany dia nogiazan’ilay tamban-jotra tsy azo ampiasaina avokoa ireo laharana very rehetra taorian’izay. Teo anefa no nivoaka avokoa ny marina rehetra, satria tao Ampilaolava Toamasina Suburbaine lalam-pirenena faha-5 nandritra izany, dia nisy mpivarotra fahana izay tsy nisy tafiditra avokoa ny fahana rehetra novidin’ny olona taminy. Re an’ilay rangahy nisy nanafika izany ka nampandre haingana ny polisy nametrahany fitoriana ilay rangahy ka raikitra ny fidinana ifotony. Teo no nahalalana, fa vadina Serza miaramila ity nivarotra fahana tsy nisy nandeha ity, ary ity ramatoa ity no nilaza fa miaramila kilasy faharoa naman’ny vadiny no nanatitra ireo fahana ireo taminy; nisy ihany koa ny mpivarotra iray tao Bazary be.
Noho ireo porofo tsy azo lavina ireo, dia raikitra avy hatrany ny fisamborana ireo miaramila roa, dia ilay Serza sy ilay miaramila kilasy faharoa. Teny amin’ny polisy no nanaovana ny fakana am-bavany voalohany izay nijoroan’ilay notafihana am-pahibe maso fa ilay Serza no nanambana basy kalaky azy, ary ilay kilasy faharoa nanangona ireo vola sy fahana ary naka ilay môtô; saingy noho ny fifanarahana eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana, dia voatery nomena ny zandary ny fanohizana izany. Ny sabotsy 10 novambra teo niakatra fitsarana ny raharaha ka ilay miaramila kilasy faharoa ihany no miandry fitsarana am-ponja, raha nafahan’ny fitsarana ilay Serza sy ny vadiny na nisy porofo mazava aza manenjika azy tamin’izao raharaha izao.
Ankoatra izany, dia mbola misy miaramila roa hafa izao mbola karohina mikasika izao olombelon’ny Tafika lasa manao asan-jiolahy izao, satria mihetsika indray ilay raharaha fanafihana mitam-piadiana nitranga tao Tanamakoa, ny volana oktobra teo izay nisiana olona efa-dahy ka ny roa nanao fanamiana miaramila am-perinasa nitondra kalaky, ka nangalarin’izy ireo lavanilina mitentina 140 tapitrisa ariary. Koa ho hita eo ny ho tohin’ity raharaha ity indray tsy ho ela.
Malala Didier