Miseho ary mahazo vahana indray ity fanafihana mitam-piadiana ity eto Toamasina amin’izao fialan-tsasatra izao. Tao anatin’ny herinandro dia tranga telo no niseho teto Toamasina, ka ny voalohany ity niseho tao depot Analakininina p/elle 23/23 Toamasina ity; izay fianakaviana tsy tao an-trano fa mba nitsangantsangana teny amin’ny toerana Miami Toamasina izy mivady fa ny mpanampy sy ny zanany no tao an-trano. Nidiran’ireo jiolahy nitondra basy sy antsy ireto tao an-trano ireo ankizy mba hamoaka ny vola sy hanoro ny fitoeran’izany, ka very tamin’izany ny vola 11 tapitrisa ariary, niaraka tamin’ny finday fampiasa amin’ny fanakalozam-bola, ary firavaka volamena tao an-trano. Tao Salazamay kosa dia teratany vahiny sy ny vadiny teratany Malagasy iray hafa koa voaroban’ireto jiolahy mpandrava tamin’ny basy sy antsy tao an-tranony. Tranga izay niseho tao Antseranampasika Toamasina p/elle 14/22, izay jiolahy efatra no nahavanona ity fandrombana ity tamin’izay. Nandritra izany moa dia namaly ilay raim-pianakaviana vazaha ka naratra maro novonoin’ireo jiolahy, ilay vehivavy sy ny zanany koa naratra vokatra izany, ka samy nentina notsaboina teny amin’ny hopitalim-panjakana Morafeno izy ireo. Vola vahiny vola Malagasy mitentina 20 tapitrisa tany ho any no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Ny tranga fahatelo kosa nitranga tao Andranomadio fanafihana nataon’andian-jiolahy mitam-piadiana hatrany. Tamin’ity tranga ity indray dia “cyber” no lasibatra ka very avokoa ireo kojakoja mifanaraka amin’izany, ankaotra ireo valy tao amin’ity “cyber” ity. Ny fanontaniana ao an-tsainan’ny maro dia ny hoe: misy ifandraisana avokoa ve ireo tranga telo ireo, satria dia olona efatra mitondra basy sy antsy avokoa no nahavanona izany? Ny fahatrarana azy ireo amin’ny vela-pandrika izay ataon’ny mpitandron’ny filaminana, izay efa mandeha amin’izao, no mahavaly izany rehetra izay.
Malala Didier