- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana : Jiolahy rain-dahiny 12 voasambotry ny pôlisy

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy rain-dahiny 12 voasambotry ny pôlisy

Azo lazaina fa namokatra indray ny asan’ireo mpitandro filaminana. Andian-jiolahy 12 no saron’ny pôlisy avy amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava etsy Anosy, araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Raha ny fanazavana azo dia voarohirohy ho isan’ireo mpanafika mitam-piadiana maherivaika teto an-drenivohitra sy ny tany amin’ny faritra izy ireo. Niainga avy tamin’ny fisamborana roalahy tratra nangalaratra môtô teny Tanjombato ny fanadihadiana, ka nahafahan’ireo pôlisy nizotra nankany amin’izao vokatra izao. Tsy afa-nandà ny heloka vitany rahateo izy ireo, raha ny fantatra hatrany, satria tra-tehaka tany amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana maromaro nentin’izy ireo tamin’ireo fanafihana ireo : basy poleta telo, vita gasy sy Mak 50, niaraka tamin’ny sabatra ary bala maromaro. Mbola tratra tany amin’izy ireo ihany kao ny menaka rongony teo amin’ny 1 litatra sy tapany teo ho eo. Araka ny nambaran’ireo pôlisy, izay nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly dia nandray anjara tamin’’ilay fanafihana niseho teny Ampasika izy ireo, izay nahazoan’izy ireo volabe tamina mpivaro-kena. Fa tsy vitan’izay fa mbola ireto olona voasambotra ireo ihany koa no tompon’antoka tamin’ny ireo fanafihana mitam-pidiana teny Namontana, Saropody, Itaosy ary Tanjombato. Etsy ankilan’izay anefa, mbola izy ireto ihany no anisan’ireo andian-jiolahy nandravarava tany amin’iny faritra Itasy iny, indrindra fa ny tao Miarinarivo, izay nitrangana trangam-panafihana maromaro tao ho ao izay. Mbola tsy mikatona eo anefa ny fiampangana azy ireo, raha ny fantatra, mbola isan’ireo tafiditra tamin’ilay raharaha nahavoampaingotra mpitandro filaminana tany Maevatana izy ireo. Araka ny fanazavana azo hatrany dia fanafihana mitam-piadiana tsy latsaky ny 19 no efa vitan’ireo andian-jiolahy raindahiny, teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Inoana araka izany fa mba hilamindamin-dratsy indray ny eto amin’ny tanàna, taorian’ity vokatra ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici