Efa tsy mifidy tavan’olona intsony amin’izao ny maha-jiolahy raindahiny. Tao an-drenivohitr’i Boina tao dia vehivavy iray, niaraka tamin’ny lehilahy iray namany no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava. Voarohirohy tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana niharo vono olona an-tsitrapo moa izy ireo.
Raha ny vaovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia nisy trangam-panafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantrano iray tao Tsararano Ambony, tao Mahajanga, ny zoma 12 jona lasa teo. Tsy vitan’ny nangalatra fotsiny anefa no nataon’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io fa mbola tsy nananan’ireo tsy vahalara antra ihany ny nanapitra ny ain’ny tompon-trano. Natao avy hatrany fanadihadiana sy ny fikarohana izay olona tompon’antoka tamin’izany ka nahafahan’ireo pôlisy nisambotra ireto olona roa ireto, ny alin’ny alakamisy teo. Isan’ny nandray anjara tanteraka tamin’ilay fanafihana ilay lehilahy voasambotra ka mpiray tsikombakomba tamin’ireo andian-jiolahy kosa ilay vehivavy. Fantatra ihany koa mantsy fa tsy io nitranga tao Tsararano Ambony io ihany no asa ratsy vitan’izy ireo. Araka ny fampitam-baovao azo dia vao avy nanatanteraka fanafihana iray tao Antanimalandy izy ireo ny alarobia lasa teo. Toy ny nitranga tamin’ilay voalohany dia novonoin’izy ireo ankitsirano ihany koa ny tompon-trano. Tamin’ny fisavàna ny tranon’izy ireo dia voalaza fa nahitàna fitaovam-piadiana, toy ny basy poleta roa marika PATT tao amin’izy ireo. Efa tsy nisy marika sy laharana azo namantarana azy intsony moa hoe avy aiza ity basy ity, izay inoana avy hatrany fa fampiasan’izy ireo amin’ny fanafihana izay ataony. Marihana, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, fa mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikaroham-baovao any an-toerana, ataon’ny eo anivon’ny kaomisaria foibe ao Mahajanga miaraka amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava any an-toerana, hitadiavana ny naman’izy ireo, tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana ireo.
m.L