Niainga tamina mpangalatra môtô iray ny fanadihadiana lalina nataon’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava tetsy Anosy. Niafara tamin’ny fisamborana ireo namany izany, izay fantatra isan’ireo raindahiny amin’ireo fanafihana mitam-piadiana sy fangalarana môtô eto an-drenivohitra. Mpitandro filaminana iray no isan’ny naman’izy ireo. Ny herinandro teo no ravan’ny pôlisy ireto tambazotra mpanao fanafihana sy mpangalatra môtô ireto, araka ny fampitam-baovao azo. Nametraka paik’ady manokana mantsy ireo pôlisy misahana ny heloka bevava entina hamongorana ireo asan-jiolahy mitady ahazo vahana teto an-drenivohitra tato ho ato. Lehilahy iray tany am-boalohany no voasambotra noho ny resaka halatra môtô. Rehefa natao ny famotorana dia niaiky ihany koa ingahirainy fa isan’ny nandray anjara tamina fanafihana maromaro teto. Nanoro ireo namany moa izy tamin’izany ka tamin’izay no nahafahana nisambotra olona enina hafa, teny amin’iny faritra Ambohimanarina, Anosimasina Itaosy ary Tsarahonenana. Tratra tao anatin’izany ny mpitandro filaminana iray izay inoana fa isan’ny mpamatsy fitaovam-piadiana ity tambazotra ity. Marihana fa mbola am-perinasa ity mpiaro ny vahoaka nihoam-pefy, hoy ny vaovao. Sarona niaraka tamin’ireto jiolahy izay saika efa nisazy sy mpamerin-keloka avokoa moa, ny bala « chevrotine » sy lakile famahana zavatra rehetra.
Efa maromaro ihany ny asa ratsy vitan’ireto andian-jiolahy ireto, raha ny fantatra ka anisan’izany ny fanafihana ireo teratany sinoa tetsy Analamahitsy sy Ambohibao, halatra fiara teny Ivato ary saika ireo halatra môtô teto an-drenivohitra, izay voalaza fa fitaovana entin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Mbola misy raharaha hafa ihany koa aza hitazomana azy ireo ihany koa aza eny amin’ireo kaomisaria hafa. Fantatra fa efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy ireo ary heverina fa nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L